Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Fangatahana ampanaovin'ny Papa - Janoary 2022

Fangatahana ampanaovin’ny Papa – Janoary 2022

Ny fangatahana voalohany ampanaovin’ny Papa Ray Masina ny vita batemy rehetra amin’izao taona vaovao 2022 izao dia natokana indrindra ho amin’ny ady amin’ny fanavakavahana sy ny fanenjehana ara-pivavahana. Ao anatin’ny volana natokana hivavahana ho...

“Mitsangana fa ataoko vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao” (Asa 26, 16)

JMJ 2021 : Hafatry ny Papa Fransoa ho an’ny tanora

“Mitsangana fa ataoko vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao” (Asa 26, 16)  Te hifampitantana aminareo indray aho mba hiaraka hanohy ny fivahinianana masina ara-panahy izay mitondra antsika mankany amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora any...

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Novambra 2021

Mba hahita fanohanana sy fahazavana mampisokatra azy amin’ny fiainana anie ireo olona voan’ny raritsaina. Asehon’ny Papa mazava amin’ny fanazavana sy ny fampianarana ataony, ho an’ny fangatahana amin’ny fanolorana ny andro mandritra ity volana ity,...

Vavaka ho an'ny raibe, ny renibe ary ny zokiolona

Vavaka ho an’ny raibe, ny renibe ary ny zokiolona

Araky ny hafatry ny Ray masina François dia hankalazaina isaky ny alahady faha-efatry ny volana Jolay ny andro maneran-tany ho an’ny raibe, ny renibe ary ny zokiolona. Hatomboka ny 25 jolay 2021 izany fanamarihana...

Manasa antsika rehetra ho tonga hiara-hiombom-bavaka amin’ny Eokaristia Masina ny 31 jolay 2021

Faritra zezoita an’i Madagasikara : jôbily telo sosona !

Mankalaza jôbily telo sosona ny Faritra zezoita an’i Madagasikara. Hisy ny Eokaristia Masina ho fanakatonana ny taon-Jobily  faha-50 taonan’ny Faritra zezoita an’i Madagasikara, ny faha-125 taona nahamartiry an’i Jacques Berthieu, ary fanokafana ny faha-500...

Fangatahana ampanaovin'ny Papa Ray Masina - Jolay 2021

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jolay 2021

Mba ho mpanorina mahery fo sy ho mpandala ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifankatiavana anie isika eo amin’ny fiainam-piaraha-monina, ara-toe-karena sy politika misy disadisa. Manasa sy mamentana antsika ny Papa Fransoa mandritra izao volana Jolay...