JMJ 2021 : Hafatry ny Papa Fransoa ho an’ny tanora
“Mitsangana fa ataoko vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao” (Asa 26, 16)
Te hifampitantana aminareo indray aho mba hiaraka hanohy ny fivahinianana masina ara-panahy izay mitondra antsika mankany amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora any Lisbonne ny taona 2023.
Tamin’ny taon-dasa, nialoha ny fiparitahan’ny valan’aretina, dia efa nosoniaviko ny hafatra mitondra ny lohateny hoe: “Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna” (Lk 7,14). Efa nomanin’Andriamanitra sahady tao amin’ny fitsimbinany masina isika mba hiatrika iny fanamby mafy izay niainantsika rehetra iny.
Nanerana izao tontolo izao no tsy maintsy niatrika iny fijaliana noho ny famoizana namana maro sy ny fihibohana ara-tsôsialy iny. Nanakana anareo tanora ihany koa tsy handeha ho any an-tsekoly, ho any amin’ny oniversite (anjerimanontolo), ho any am-piasana, hifankahita, iny valan’aretina iny. Nahita olana goavana izay mbola tsy nahazatra anareo sy tsy hainareo tantanina mihitsy ianareo. Ireo izay tsy voaomana sy tsy nisy mpanohana dia tena very tsy nahita mihitsy hoe inona no atao ary aiza no aleha. Niseho tamin’ny lafiny maro ireo olana ara-pianakaviana: anisan’izany ny tsy fananana asa, ny fahaverezan-toky lalina, ny fahatsapana ho irery, ny fiankinan-doha amin’ny lafiny maro. Tsy lazaina intsony ireo karazana adin-tsina mivangongo, ireo fahakizitinana maro samihafa sy fipoahana hatezerana, ny fitomboan’ny herisetra isan-karazany.
Misaotra an’Andriamanitra anefa fa tsy io irery akory no endri-java-miseho hitantsika. Raha toa ka maneho ny fahalementsika ny sedra tamin’ny alalan’ny valan’aretina, dia aza adinoina fa manosika antsika hiray hina koa izy iny. Hitantsika manerana izao tontolo izao fa maro ireo olona, anisan’izany ny tanora, miady amin’ny fiainana, mamafy fanantenana, miaro ny fahafahana sy ny rariny, mpitondra fiadanana sy azontsika lazaina hoe mpandrafitra tetezana hifandraisan’ny mpiara-belona.
Raha lavo ny tanora iray, dia azo lazaina fa ny olombelona rehetra mihitsy no trotraka. Fa rehefa miarina koa ny tanora anankiray dia toy ny hoe izao tontolo izao mihitsy koa no avotra. Ry tanora malala, tanjaka goavana tsy manam-paharoa no eo am-pelatananareo! Hery tsy manan-tsahala no ao am-ponareo!
Araka izany, miteny aminareo tsirairay Andriamanitra anio hoe: “Mitsangàna!” Antenaiko, amin’ny foko manontolo, fa afaka hanampy anareo hanomana fotoana sy hamadika pejy vaovao eo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona ity hafatra ity. Aza adinoina anefa, ry tanora malala, fa tsy afaka manomboka zava-baovao izao tontolo izao raha tsy misy anareo. Mba ho afaka hiarina indray izao tontolo izao dia mila ny herinareo, ny hafanam- ponareo, ny fitiavanareo. Amin’io lafiny io indrindra no tiako handinihana miaraka aminareo izay voalaza ao amin’ny Asan’ny apôstôly, nilazan’I Jesoa tamin’ny Paoly hoe: “Mitsangàna! Ataoko vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao” (Jer. Asa 26,16).