Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Novambra 2021
Mba hahita fanohanana sy fahazavana mampisokatra azy amin’ny fiainana anie ireo olona voan’ny raritsaina.
Asehon’ny Papa mazava amin’ny fanazavana sy ny fampianarana ataony, ho an’ny fangatahana amin’ny fanolorana ny andro mandritra ity volana ity, fa akaiky mandrakariva an’ireo olona izay mahatsapa tena ho sahirana amin’ny fiainany andavanandro ny tenany, indrindra amin’ny toe-javatra misy adin-tsaina sy fahaketrahana na hakiviana, ary mangataka amintsika izy hivavaka ho azy ireny mba hahazoany fanohanana tena ilaina.
Amin’izany indrindra no isarihan’ny Papa ny saintsika amin’ny adin-tsaina sy ny fahaketrahana mianjady amin’ny olona maro ankehitriny. Hita sy tsapa mantsy fa manerana izao tontolo izao dia mandalo vanim-potoana voamariky ny faharerahana ara-tsaina ny olona, izay miseho amin’ny endrika sy ambaratonga samihafa, Eo anatrehan’izany, ny Papa dia mamporisika sy mankahery ireny olona ireny amin’ny fanomezana torohevitra sy fitantanana am-panahy, ary manome toky fa hivavaka ho azy ireo sy mampahatsiahy fa akaiky azy ireo mandrakariva i Jesoa.
Lohahevitra iray momba ny fiainan’ny olona an-tapitrisany no asongadin’ny Papa eto : dia ny fahasalamana ara-tsaina. Hazavainy fa mazàna dia « ny alahelo, ny tsy firaharahiana, ny harerahana ara-panahy no manjaka amin’ny fiainan’ny olona, tototry ny fihazakazahana sy ny fandehan’ny fiainana ankehitriny ».
Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpandinika nivoaka tamin’ity taona ity dia manombatombana fa, maneran-tany dia olona iray amin’ny folo no manana aretina ara-tsaina. Amin’ireo aretina isankarazany ireo, dia ny fahaketrahana na ny hakiviana, ny raritsaina no voalaza fa be indrindra araka ity fanadihadiana ity.
Ny mpitsabo dia mampitandrina fa rehefa miverimberina sy mihoatra ny antonony ity fahaketrahana, hakiviana, rarintsaina ity, dia mety ho lasa olana ara-pahasalamana lehibe. Amin’ny tranga ratsy indrindra aza dia mety hitarika hatramin’ny famonoan-tena mihitsy izany, izay mamono olona maherin’ny 700.000 isan-taona maneran-tany ary fahaefatra amin’ny antony mahafaty ny tanora 15 ka hatramin’ny 29 taona.
Ny areti-mifindra COVID-19, eran-tany, dia tsy vitan’ny hoe namoizana ain’olona an-tapitrisany fotsiny fa niatraika ihany koa tamin’ny lafiny ara-tsaina sy ara-pihetseham-pon’ny olona maro, ka nahatonga fikorontanana tamin’ny lafiny isankarazany.
Manoloana izany zava-misy izany dia mangataka amintsika ny Papa Ray Masina « mba hanakaiky ireo izay reraka, very fanantenana, tsy manana fomba fijery, matetika mihaino am-pahanginana fotsiny ihany »
Hoy Mompera Frédéric FORNOS sj, Tale maneran-tanin’ny TPPM hoe: « Ny fiarahamonintsika, miaraka amin’ny fihazakazaky ny fiainana sy ny teknolojia haingam-pandeha, hoy izy, dia mampiroborobo ny raritsaina sy ny fahasorenana, izay aretina miteraka adin-tsaina sy faharerahana. Nampitombo ny fijalian’ny olona maro ny areti-mifidra COVID-19. Koa mangataka antsika ny Papa Fransoa mba hivavaka sy hanakaiky ireo izay mijaly noho io faharerahana tafahoatra ara-tsaina, ara-pihetsehampo ary ara-batana io. Mazava ho azy, hoy hatrany Mompera Frédéric FORNOS sj, fa ilaina ny fanohanana ara-tsaina, fa mampahatsiahy antsika ihany koa ny Papa fa tena fanampiana sy fampiononana koa ny tenin’i Jesoa hoe : mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay reraka sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo aho ».
NARISOA SJ