Faritra zezoita an’i Madagasikara : jôbily telo sosona !
Mankalaza jôbily telo sosona ny Faritra zezoita an’i Madagasikara. Hisy ny Eokaristia Masina ho fanakatonana ny taon-Jobily faha-50 taonan’ny Faritra zezoita an’i Madagasikara, ny faha-125 taona nahamartiry an’i Jacques Berthieu, ary fanokafana ny faha-500 taonan’ny nibebahan’i Md Ignasy tany Loyola ny asabotsy 31 jolay ao amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe, amin’ny 8 ora maraina.
Hisy fanamasinana pretra ihany koa amin’io andro io. Ho fiomanana amin’izany dia manentana antsika hanao ny fanomanam-panahy amin’ny alalan’ny vavaka hasivianandro, isan-tokantrano, isaky ny paroasy, ary azontsika arahina ao amin’ny radio RDB amin’ny vavaka maraina manomboka ny alakamisy 22 ka hatramin’ny zoma 30 jolay ho avy izao.