Vavaka ho an’ny raibe, ny renibe ary ny zokiolona
Araky ny hafatry ny Ray masina François dia hankalazaina isaky ny alahady faha-efatry ny volana Jolay ny andro maneran-tany ho an’ny raibe, ny renibe ary ny zokiolona. Hatomboka ny 25 jolay 2021 izany fanamarihana izany.
« Indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao » (Mt28 -20)
Entanina ny paroasy sy ny fikambanana masina hanamarika io fotoana io.
Hisy ny fankalana ofisialy tarihin’ny Vaomiera Episkopaly misahana ny fianakaviana eny amin’ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina.
