Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jolay 2021

Mba ho mpanorina mahery fo sy ho mpandala ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifankatiavana anie isika eo amin’ny fiainam-piaraha-monina, ara-toe-karena sy politika misy disadisa.
Manasa sy mamentana antsika ny Papa Fransoa mandritra izao volana Jolay izao mba ho mpanorina fifandraisana sy fifankatiavana omban-kerim-po sy fitozoana ny olombelona tsy ankanavaka, izany dia araka ilay lohahevitra hitantsika ao amin’ny ansiklika Fratelli tutti, hoe : « Fihavanana eo amin’ny fiarahamonina, lalana iray atolotra ho an’ny tontolo marary sy reraka ».
Ampahatsiahivin’ny Papa amin’izany fa « ny fifampiresahana no fomba hitarafana sy hijerena ny zava-misy marina amin’ny endrika vaovao, mba hiainana amim-pitozoana ireo fanamby amin’ny fanorenana ny soa iombonana ». Amin’ny alalan’ny fifampiresahana ihany mantsy no ahafahana mandrindra sy mandravona ny fiainam-piarahamonina izay simba fifandraisana.
Tsiahivin’ny Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany (TPPM) ny lohatenin’ny fizarana faha enina ao amin’ny ansiklika Fratelli tutti, manao hoe : « Ny fifankatiavana eo amin’ny fiaraha-monina ». « Ny fifampiresahana ara-piarahamonina tena izy, hoy ny Papa, dia mametraka mialoha ny fahafahana manaja ny fomba fijerin’ny hafa amin’ny alalan’ny fanekena izay mety ahitana faharesen-dahatra na tombontsoa ara-dalàna izany ».
Amin’izany indrindra sady mampianatra no manolo-kevitra ihany koa ny Papa ny « handehanana mihoatra lavitra noho ny vondron’ny samy mpinamana sy hanorenana fisakaizana ombam-pifankatiavana eo anivon’ny fiaraha-monina, raha ilaina, mba hisian’ny fiaraha-miaina tongalafatra ».
Fa mbola manentana hatrany ny Papa ny hanaovaozana ny fihaonantsika, indrindra miaraka amin’ireo tena mahantra sy marefo.
Tsy « mora mandrakariva akory » ny « mandositra ny fifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina izay manimba », hoy ny Papa manamafy: « indrindra amin’izao fotoana izao rehefa vonona ny hamorona fahavalo handrodana azy ireo ao anatin’ny filalaovana fahefana, ny ampahany amin’ny pôlitika sy ny fiaraha-monina ary ny haino aman-jery.
Ny fifampiresahana no tsy maintsy ho fitaovana voalohany hamahana fifandirana.
Faranan’ny Papa àry ny fampianarany sy ny fanentanany antsika araka ny fangatahana amin’ity volana ity manao hoe : « Mba ho mpanorina mahery fo sy mpandala ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifankatiavana anie isika eo amin’ny fiainam-piaraha-monina, ara-toekarena sy politika misy disadisa».
« Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery, ka nahita rakitra izay nahita azy » (Siraka 6, 14).
NB : Loharano nanovozan-kevitra : « Vidéo du Pape, Juillet 2021 »
Narisoa sj