Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA
Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.
Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.
Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.
Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika
Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!
Mandrakizay
Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj
Loharano : Trinitera.org Ry rahalahy sy anabavy malala! Ny Evanjelin’i Matio, Marka sy Lioka dia samy mitantatra ny zavamisy tamin’ny fiovan’i Jesoa tarehy. Hitantsika amin’izany ny valintenin’Izy Tompo manoloana ny tsy fahatakaran’ny mpianany ny...
Mba hahazo valiny mazava avy amin’ny Eglizy anie ireo mijaly noho ny fanararaotana ataon’ny olon’ny Eglizy manoloana ny fangirifiriana sy ny fijaliana iaretany
Mba ho ankohonana mivelona ny finoana sy ny firahalahiana ary ny fandraisana an’ireo tena sahirana anie ny paroasy rehetra eo am-piainana ny tena fiombonana.
Ry Andriamanitra Ray ô. Fitiavana ianao ary entanin’ny fitiavana anao izahay amin’izao kongresy izao ka tafaombona indray ao aminao. Ampio izahaymba tsy hivaona amin’ny maha-fiombonana Eokaristika anay. Fa ny fiombonanano manampy anay hatrany ho...
Indro àry atolotra antsika ny soridalana hoentintsika hamakivaky indray ity taom-pikatrohana vaovao 2022-2023 ity. Manomboka amin’ny taona ho avy dia isaky ny 1 Oktobra no hanombohantsika AFAFI-FET miaraka ny taom-pikatrohana ka hanao ezaka manokana...
Mba ho vavolombelona azo antoka amin’ny fampitana ny fihavanana fa tsy ny fifaninanana anie ireo mpanabe ary mba hanampy manokana ireo tanora marefo
Mba hahita olona vonona hikatsaka ny soa iombonana anie ireo sampan-draharaha sy fikambanana miahy ny maha olona, ary hikaroka fomba fiaraha-miasa vaovao hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anie izy ireo.
« Niainga Maria, ka nandeha haingana » (Lk 1, 39) Ry tanora malala ! Ny lohahevitry ny JMJ tany Panama dia hoe : « Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anieho tanteraka amiko araka ny teninao »...
Mba hahazo fanabeazana sy hahita fitiavana amina fianakaviana anie reo ankizy mijaly, ireo miaina eny amoron-dalana, ireo mitondra fahoriana noho ny ady ary ireo kamboty
Ry Tanora malala, Mifarana soa aman-tsara ny JMJ Mada faha X notontosaintsika niaraka teto Antsirabe. Hafaliana tsy omby tratra ny anay Eveka Raiamandreninareo niaraka taminareo nandritra ny andro maromaro, niara-nigoka taminareo ny harem-panahy tsy...
Notendren’i Papa Fransoa hisolo tena azy eto Madagasikara Mgr Thomas GRYSA. 52 taona izy ary efa nitana andraikitra maro teto anivon’ny Fiangonana. Iza moa i Mgr Thomas GRYSA ? Teratany poloney Mgr Thomas GRYSA,...