Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Septambra 2021
Mba hanao safidy matotra ho ana fiainana tsotra sy maharitra anie isika ary hientan-kafaliana mahita ireo tanora mirotsaka amin’izany.
Asongadin’ny Papa indray amin’izao volana natokana ho an’ny fahariana izao ny krizy momba ny tontolo iainana izay iainan’izao tontolo izao.
Raha nanatitrantitra ny Papa fa « ny tanora dia sahy manao tetik’asa fanovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina », dia toa miantso antsika izy amin’izany hanontany tena ny amin’ny fomba fiainantsika sy ny fomba nampiasantsika ireo akora, fitaovana, harena eto amin’ity planeta tanibe iainantsika ity, « izay matetika manimba ny tany », ary mangataka antsika izy hiova, mba hahafahantsika miroso amin’ny fomba fiainana tsotsotra sy manaja kokoa ny tontolo iainana.
Tsy zava-baovao akory ny fanaovana hetsika maika hiadiana amin’ny krizy ara-tsosialy sy tontolo iainana ; mihabetsaka ny fanairana manerantany manandrana mampahafantatra ny zanak’olombelona fa misy zavatra mila ovaina. Tamin’ny volana Jona lasa teo, ny Firenena mikambana dia efa nampitandrina fa « ity tany be ity dia efa eo ampahatratrarana ireo loza mitatao telo : ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fahalotoan’ny tontolo iainana ary ny fahapotehan’ny harena voajanahary. Miantraika amin’ny fiainantsika rehetra : « Ny famotehantsika ny tontolo voajanahary dia efa manimba ny fiadanam-pon’ny 40 %n’ny zanak’olombelona ».
Hoy ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Andriamatoa Antonio Guterres : « Hatramin’ny fotoana ela no efa nanapahan’ny olona ny ala teto amin’ity tany be ity, nandotoany ny ony sy ny ranomasiny, nitrandrahany ny tanety mandrapaha laniny. Manimba ny tontolo iainana izay manohana ny fiaraha-monina misy antsika isika amin’izany ».
Araka ny efa voalazan’ny Papa tao amin’ny Ansiklika Laudato si : « Tsy misy dikany ny famaritana ireo soritr’aretin’ny krizy ekolojika, raha tsy ekentsika ny antony avy amin’ny olombelona ».
» Tsy maintsy jerena aloha ny fomba fiainantsika mba hahitana hoe hatraiza amin’ny zavatra ataontsika no manimba ity tany onenantsika ity. « Dinihontsika, indrindra amin’ireo fotoan-tsarotra (krizy ara-pahasalamana, sosialy, tontolo iainana), hoy ny Papa Fransoa, andao hieritreritra ny fomba fiainantsika. Diniho ny antony mahatonga ny safidintsika isan’andro momba ny sakafo, ny fandaniana, ny fivezivezena, ny fampiasana rano, ny angovo, ny plastika ary ireo entana sy fitaovana maro izay matetika manimba ny Tany.
« Andao hisafidy ny hiova » hoy ny Papa Fransoa manao antso avo. Mitodika any amin’ny tanora izy rehefa misaintsaina an’io fanovana io, satria izy ireo no lohalaharana raha lafiny tontolo iainana no resahina, izy ireo no « manana fahasahiana hanao tetik’asa fanovana ny tontolo iainana sy sosialy
Ny tenin’ny Papa dia tsy mamela antsika tsy hiraharaha. Manoloana ny krizy ekolojika dia maika ny hanovana ny fomba fiainantsika mba hananana fahononan-tena sy firaisankina. Rehefa miresaka momba ny ekolojia iankinan’ny aina ny Papa dia milaza izy fa misy ifandraisany amin’ny fiainantsika ny zava-drehetra. Tsy ampy intsony ny teny hiarovana ny Tranobe iombonana. Andao isika hivavaka miaraka amin’ny herim-pon’ireo tanora, mitondra ho amin’ny fiainana milamina kokoa sy maharitra amin’ny tontolo iainana izay miantoka ny hoavintsika. Ao amin’ny Ansiklika Laudato Si ‘, manolotra làlana iray entintsika mandroso ny Papa Fransoa : fiverenana amin’ny fahatsorana, amin’ny firahalahiana, miaraka amin’ny fahariana ary amin’ireo tena sahirana indrindra ”.