Jery Todiky ny taona 2018
« Raiso ary hano: Vatako ity… Isotroinareo rehetra: Rako ity » (Mt 26, 26-28)
Iarahantsika mahalala fa tena ao anatin’ny fiomanam-panahy tanteraka amin’ny fankalazana ny Jobily faha 100 taona niorenan’ny FET eto Madagasikara isika amin’izao fotoana. Miditra amin’ny taona faha telo isika ankehitriny. Taonan’ny Vavaka no nentintsika nanombohana izany ary vao avy niaina sy namakivaky ny taonan’ny Tenin’Andriamanitra isika tamin’iny Taom-pianarana lasa iny, ka niainantsika ny Teny Faneva hoe : « Tompo o, Ianao no manana ny Teny fiainana mandrakizay » (Joany 6, 69). Nohalalinina niaraka tamin’izany ny Evanjely nosoratan’ireo mpanoratra efatra mirahalahy mba hiainana bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra.
Fitsidihana nataon’ny Foibe Nasionaly
Diosezy 9 no nanaovan’ny Foibe Nasionaly fitsidihana, ka tamin’ireo Diosezy ireo dia nisy ny niverenana in-droa. Toy ny mahazatra dia saika zaikabe na kongresy sy fiofanana ho an’ny Mpanabe no natao tamin’izany. ao anatin’ireny rehetra ireny ny Dingana sy ny Fanoloran-tena ary ny fanorenana sy fitsofandrano ny AFAFI.
Tsapa sy tsikaritra hatrany ny ezaka ataon’ny isan-diosezy amin’ny fanorenana ny AFAFI, fa efa saika ahitana AFAFI avokoa ny Diosezy rehetra. Efa manodidina na maherin’ny 4000 ny isan’ny mpikambana ankehitriny manerana an’i Madagasikara, koa irariana ny hitohizan’izany hatrany.
Amin’ny ankapobeny, tamin’ireo Diosezy nanaovana fitsidihana, dia hita sy tsapa fa misy hatrany ny ezaka amin’ny fampitàna sy fampiharana ny Soridalana. Inoana sy antenaina fa nahavita ezaka toraka izany avokoa ny rehetra.
Sehatra iraisam-pirenena
Nanatanteraka fiofanana sy fivoriana ho an’ny Aomonie sy ny mpandrindra isam-pirenena ny Fiombonan’ny TPPM/AFAFI-FET aty Afrika, natao tany Naïrobi Kenya, ny 10-16 Avrily 2018. Nanana solontena roa tamin’izany isika. Nisongadina nandritra izany ny fifampizarana traikefa momba ny fanavaozana natao ho fampiroboroboana ny TPPM sy ny AFAFI-FET. Tao anatin’izany ihany koa no nanoloran’i P. Frédéric FORNOS sj, izay Ray am-panahy iombonana maneran-tany, an’i P. Georges KATUMBA sj avy any Congo RDC, ho mpandrindra vaovao aty Afrika sy nifidianana ireo olona hiara-miasa aminy amin’izany andraikitra lehibe izany. Ny fivoriana manaraka moa dia hotanterahina any Ethiopie amin’ny taona 2020.
Fampiasana sy fitondrana ny LAKROAn’ny fikambanana
Mahavelom-panantenana sy mahafaly ny mahita fa mihamaro hatrany ny mpikambana mitondra sy miambozona ny Lakroan’ny AFAFI-FET. Sady fijoroana ho Vavolombelona izany no mampifankalala bebe kokoa ny samy AFAFI-FET, koa tohizo. Anentanana sy ampirisihana izay mbola misalasala.
Fampielezana ny TPPM
Mampisaotra an’Andriamanitra lehibe ny ezaka vitantsika nandritra iny taona iny ny amin’ny fampielezana ny Vavaka fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina, ao amin’ny Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany. Isika AFAFI-FET tokoa mantsy no mpampiely voalohany ny Vavaka Fanolorana ny andro, fa ny Kristianina vita Batemy rehetra kosa no kendrena hivelona sy hiaina azy. Betsaka ireo Fiangonana, Paroasy, Sekoly… no miara-mivavaka manao ny Fanolorana ny andro, iombonam-bavaka amin’ny Papa sy ny kristianina marobe. Toraka izany koa ireo Radiô Katôlika, dia saika miventy ny Fanolorana ny andro avokoa amin’ny vavaka maraina, noho ny ezaka avy amintsika. Isaorana sy ankasitrahana antsika rehetra amin’ny ezaka vitantsika.
Rakitra miakatra
Raha nahitana ezaka sy fandrosoana ny Rakitra miakatra tamin’ny taom-pikatrohana 2016-2017, dia ny mifanohitra amin’izany kosa no niseho tamin’iny taom-pikatrohana 2017-2018 iny. Mbola diosezy vitsy dia vitsy no nahatanteraka izany. Aoka samy handinika ny tsirairay, indrindra isika tompon’andraikitra. Marihina fa ny Fivondronamben’ny Eveka dia mampirisika ny hanaovana latsakemboka isaky ny mpikambana, saingy moramora kokoa ho antsika aloha hatramin’izao ny rakitra noho ny fanaovana latsakemboka.
Hohitantsika amin’ny Taratasim-pifandraisana manaraka ny anaran’ireo Diosezy nandray anjara sy ny ezaka vitany. Koa mbola azo atao tsara ny mandefa sy mandrotsaka izany aty amin’ny Foibe Nasionaly.
Gazetim-panabeazana, “Ny Hafatro sy Firaisankina”
Tsy miova tamin’ny taona lasa fa toy ny teo aloha ihany, araka izao manaraka izao:
“Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny Foibe Nasionaly amin’ny fanatsarana sy famoahana ny gazetim-panabeazana dia tsy ahitana ezaka firy kosa izany avy amin’ny ankamaroan’ny Diosezy sy ny Ekipa fototra. Marihina eto indray fa anisan’ny fitaovana iray tena mahomby amin’ny fanabeazana ny fampiasana ny gazety noho ireo lahatsoratra sy fampianaram-pinoana mifototra indrindra amin’ny « aim-panahy » maha AFAFI-FET sy maha Katolika antsika ka tsy maintsy ampiasaina.
Vokatr’izay dia manjary tara ny fivoahan’ny gazety satria miandry ireo tsy misy mpamandrika ho lany vao afaka mamoaka ny laharana manaraka indray. Tsara ny ahafantarantsika fa miankina amin’ny fahamaroan’ny gazety atonta no mahamora ny vidin’ny gazety sy ny saram-pamandrihana ».
Tantaran’ny Fikambanana isan-diosezy
Tamin’ny Filan-kevitra nasionaly natao tamin’ny 27-30 Oktobra 2017 no nilazana tamin’ny rehetra tonga nandray anjara ary mbola nohamafisina tamin’ny fandefasana ny fehin-kevitra fa ilaina dia ilaina ny fandrafetana ny tantaran’ny fikambanana isan-diosezy. Tokony ho tonga taty amin’ny Foibe Nasionaly izany ny 30 JONA 2018. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy nisy afa tsy diosezy iray no nahatonga izany. Horaketina ho tahiry ho an’ny Fikambanana sy ny Fiangonana eto Madagasikara izany ka iangaviana mba samy hanao ezaka.
JMJ Mada IX
Isaorana Andriamanitra fa vita soamantsara ny JMJ Mada IX natao tany Mahajanga farany teo. Anisan’ny fikambanana masina nanana mpandray anjara be indrindra isika FET. Nampifankalala bebe kokoa ny FET izay tonga tany rahateo ny fitondrana ny fanamiana FET, T-Shirt FET sy ny Lakroan’ny fikambanana ary nanamora ny fifampihaonana tany amin’ny « village touristique ». Namela hafatra ho an’ny tanora Malagasy tamin’izany ny Papa François, toraka izany koa ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara. Inoana fa samy nanovo fampianarana sy fanabeazana avy amin’izany ireo rehetra nanatrika sy nanaraka izany tamin’ny haino aman-jery. Samy hitantsika amin’ny gazetim-panabeazana « FIRAISANKINA » avokoa ireo fampianarana avy amin’ny Raiamandrenintsika ireo.
Misaotra ireo FET izay nilatsaka an-tsitram-po (volontaire) nandray anjara sy nanampy tamin’ny fikarakarana. Fijoroana vavolombelona ho an’ny Fikambanantsika ny fahafoizantena nasehonareo.