Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Desambra 2023
Mba hotsinjovin’ny fiaraha-monina anie ireo olona azon’ny fahasembanana ary mba hanampy azy ireo amin’ny fandraisany anjara amin’ny fiainam-piaraha-monina anie ny rafitra mijoro.
Mba hotsinjovin’ny fiaraha-monina anie ireo olona azon’ny fahasembanana ary mba hanampy azy ireo amin’ny fandraisany anjara amin’ny fiainam-piaraha-monina anie ny rafitra mijoro.
Mba ho afa-mitantana am-pinoana ny andian’ondry nankinina taminy anie ny Papa eo am-panatanterahana ny iraka sahaniny, miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina.
Ho an’ny Eglizy miara-dia Mba handray ny fihainoana sy ny fifanakalozan-kevitra ho fomba fiaina amin’ny ambaratonga rehetra anie ny Eglizy, ka hanaiky hotarihin’ny Fanahy Masina hanatona ireo anjorom-bala
Ho an’ireo voailiky ny fiaraha-monina Mba tsy ho hadinoin’ireo rafitra mijoro ary tsy holavina na oviana na oviana anie ireo voailiky ny fiaraha-monina miaina tsy araka ny maha-olona.
Mba hanampy ny tanora hizotra amin’ny lalana tsara, eo am-pijoroana ho vavolombelon’ny Evanjely anie ny Andron’ny Tanora Maneran-tany hatao any Lisbonne
Mba ho ivon’ny fiainan’ny katôlika tokoa anie ny Eokaristia izay manova ny fifandraisan’ny mpiara-belona ary manokatra ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny hafa.
Mba handray andraikitra amin’ny fanafoanana ny fampijaliana anie ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary hanohana ireo iharam-boina sy ny fianakaviany
Mba ho tsapan’ny firohotana sy ny fikambanana masina isan’andro anie ny asa fitoriana ilofosany ka entiny hanasoavana ny besinimaro ny fanomezam-pahasoavana noraisiny.
HO AN’NY KOLON-TSAINA TSY MISY HERISETRA Mba ho an’ny fielezan’ny kolontsaina tsy misy herisetra, izay midika hoe tsy hampiasa fitaovam-piadiana araka izay atao anie ny Fanjakana sy ny olom-pirenena.
Mba hahazo valiny mazava avy amin’ny Eglizy anie ireo mijaly noho ny fanararaotana ataon’ny olon’ny Eglizy manoloana ny fangirifiriana sy ny fijaliana iaretany
Plus