JMJ Mada IX : Hafatry ny Fivondronam-ben’ny Eveka
Hafatry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara
Famaranana ny JMJ Mada 9 Mahajanga
Ry tanora malala,
Misaotra an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina isika, izay niara-dàlana tamintsika ka nahatontosa soa aman-tsara izao JMJ Mada-9, niarahantsika nankalaza teto Mahajanga, nandritra ny herinandro izao ary niarahantsika nandalina ny lohahevitra hoe :
« Aza matahotra ry Maria, fa sitrak’Andriamananitra ianao ! » (Lk 1, 30)
Tao anatin’ny fahatorany tanteraka i Maria no nahare an’io antson’Andriamanitra nampitain’ny Arkanjely taminy io.
Tampoka taminy izany ary tsy nazava avy hatrany tao an-tsainy ny lalana tian’Andriamitra itondrana azy. Nefa noho ny finoana lalina tao anatiny sy noho ny fitokiany tanteraka an’Andriamanitra dia afaka niatrika amim-pitoniana sy amim-panetren-tena ary nandray amim-pitiavana ny andraikitra nangatahan’Andriamanitra taminy izy, ka nanaiky ho Renin’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao. Tao anaty fahanginana sy fitiavam-bavaka no namantarany tsikelikely ny sitrapon’Andriamanitra taminy.
Nanako tao am-pontsika nandritra ny fankalazana izao JMJ zao ny antson’Andriamanitra manao hoe “Aza matahotra ry tanora, fa sitrak’Andriamaitra ianao!”
Naneho ny finoantsika isika ka namakivaky lalan-davitra ary tsy nikely soroka nanao izay hahatongavana teto Mahajanga. Naneho ny finoantsika isika ka niombona ho Eglizy vahoaka iray tsy mivaky, natambatry ny Fanahy Masina sy ny Eokaristia tanatin’ny fihavanana sy fifankatiavana ary ny fifandeferana. Antenaina fa mbola nanamafy sy nampitombo ny finoantsika izany traikefam-piombonana izany, izay mbola nohamafisin’ny katesizy natolotr’ireo Eveka, dimbin’ny Apôstoly.
Rehefa nanovo fahasoavana tamin’ny fankalazana izao JMJ Mada-9 izao àry isika dia irahin’i Kristy ho misionera any amin’ny Eglizy sy ny fiaraha-monina niaviantsika.
Ny hafatra voalohany dia : mahaiza mihaino sy mamantatra ny antson’Andriamanitra miantefa ao am-ponareo tsirairay. Avelao hiredareda ao anatinareo ny afon’ny finoana novelombelomina teto Mahajanga. Sokafy midanadana ho an’i Kristy ny fonareo fa izy irery ihany no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana azo antoka.
Aoka ianareo tsy ho voasariky ny firehan-kevitra te hanala an’Andriamanitra eo amin’ny fianantsika olombelona izay mitarika antsika amin’ny fahaverezana. Aoka tsy ho sodokan’ireo mitady hamily ny finoanareo amin’ny fanambazana vola sy ny fampanantenana hasambarana mándalo eto an-tany.
Aza hadino fa tsy ny tabataba sy ny rendrarendran’izao tontolo izao velively no ahafahantsika mamantatra ny antson’Andriamanitra sy mamaly Azy amim-pahamarinana mba ahitantsika ny lalam-pahasambarana tena izy, fa ao anatin’ny vavaka sy ny fahanginana. Ao amin’ny atifon-tsika lalina mantsy no sehatra itenenan’Andriamanitra amintsika sy anilovan’ny Fanahy Masina ny feon’ny firitreretantsika.
Rehefa izany dia aza matahotra ny hamaly ny antson’Andriamanitra ho Ray sy Renim-pianakaviana, hijoro ho vavolombelon’ny finoana hampijoro fiaraha-monina anjakan’ny fitiavana sy ny fahamarinana ary fiadanana.
Aza matahotra ny hamaly ny antson’Andriamanitra ho pretra ka ho mpiandry sy mpanompo mahatoky ary ho mpizara fahasoavana amin’ny Vahoakan’Andriamanitra mangetaheta famonjena.
Aza matahotra ny hamaly ny antson’Andriamanitra ho relijiozy, vavolombelon’ny fitiavana lavorary sy ny fanantenana ny fanjakan’ny lanitra.
Aza matahotra ny hamaly ny antson’Andriamanitra hanompo ny hafa amin’ny fiainam-panokanan-tena eny anivon’ny fiaraha-monina.
Aza matahotra ny ho masina fa aoka hiara-hientana sy hifanentana hanohitra ny ratsy sy ny fironan’ny maro mankany amin’ny kolon-tsainam-pahafatesana (culture de la mort), mitarika antsika amin’ny tsy fandriam-pahalemana, famonoana ain’olona ankitsirano amin’ny endriny samihafa, ny fanimbàna ny tontolo iainana, fanosihosena ny zo aman-kasina maha-olona.
“Aza manaiky ho resin’ny ratsy fa reseo amin’ny soa ny ratsy” (Rom 12, 21)
Aza matahotra fa efa sitrak’Andriamanitra hanana ohatra hotahafina amin’ny famaliana ny antson’Andriamanitra ny firenentsika :
Ohatra amin’ny ny fiainana ny finoana sy ny famaliana ny antso hanokan-tena hanompo ny hafa i Mompera Jacques Berthieu, Frera Raphael Louis Rafiringa ary Mompera Jean Beizim.
Ohatra amin’ny fiainana ny finoana manosika hijoro amin’ny marina sy ny fitiavana enti-manova endrika ny fiaraha-monina hatramin’ny fahafoizana ny aina kosa i Victoire Rasoamanarivo sy Lucien Botovasoa, lahika Ray sy Renim-pianakaviana.
Meteza àry ho tanora misionera hampijoro ny Eglizy, Iraka sy Fahazavana, hanilo ny fiaraha-monina. Ny fidirana amin’ny fikambanana masina sy ny firotsahana amin’ireo andraikitra isan-tsokajiny any amin’ny Eglizy misy anareo tsirairay avy any, no hanampy anareo handalina sy hiaina ny finoana ka hanehoanareo ny maha-zanaky ny Eglizy anareo. Raiso sy iaino ny sakramenta loharanon’ny fahasoavana sy fahamasinana, miantoka ny fiombonan’aina amin’Ilay afaka mamonjy antsika sy mamelombelona ny fiombonantsika, fa io no raki-tsoa sarobidy tsy manan-tsahala ameloman’ny Eglizy antsika.
Izao vanim-potoana lalovan’ny firenentsika izao tokoa dia mitaky firotsahana an-kasahiana entanin’ny finoana latsa-paka.
Raha mitazam-potsiny isika na ho mpanaraka am-bokony izay tian’ny hafa itarihana antsika dia meloka eo anatrehan’ny tantara. Koa mampirisika anareo ny Eglizy mba hirontsaka an-tsehatra am-pitiavana sy am-pahamarinana ary amim-pitandremana amin’ny fiainam-pirenena.
Manoloana ny fifidianana ho avy, dia manentana anareo tanora izahay Eveka mba hanefa ny adidy masina izay hiantoka ny ho avin’ity firenena malalantsika ity, ary taomy ho amin’izany daholo ny rehetra ka hanara-maso sy hiaro ny marina sy ny mangaharaha. Aoka anefa hahay handinika sy hamantatra ary hamakafaka lalina ka tsy hisy hanery anao amin’ny safidy ataonao afa-tsy ny feon’ny fieritreretanareo.
Ho fanajana ny fahafahanao sy ny feon’ny fieritreretanao indrindra no mahatonga ny Eglizy katôlika tsy hanohana na hampanohana na iza na iza amin’ny fifidianana.
Aza sodokan’ny mena miraviravy sy ny tolotra kely mándalo tsy hahatody taona akory fa endrika isehoan’ny famitahana anao sy fividianana ny safidinao ireny. Zo sarobidy tsy voavidim-bola aman-karena manko ny mifidy.
Ho anareo terem-panahy nirotsaka kosa, aoka tsy halaim-panahy hanararaotra ny finoana ho fitaovana entina misehoseho, hahazoana toerana sy voninahitra eo amin’ny fiaraha-monina ary tombotsoa manokana. Finoana sadasada izany. Ny finoana tena izy dia tsy maintsy manosika hitia sy hanompo ny vahoaka ho fikatsahana ny soa iombonana.
Ry tanora malala,
Tianay ho tsapanareo fa Reny tia anareo, matoky anareo ary vonona hihaino sy hiahy anareo ny Eglizy. Ao ampon’ny Eglizy tokoa ianareo ka izany no hanaovany Sinaody manokana mandritra ity volana oktôbra ity, miompana amin’ny lohahevitra hoe “ny tanora, ny finoana, ary ny famantarana ny antson’Andriamanitra”. Aoka àry ianareo hivavaka mba hahatontosa soa aman-tsara izany Sinaody izany ary handray sy hiaina am-pitiavana izay fehin-kevitra hivoaka avy eo, izay azo antoka fa hahasoa ny ho avinareo.
Eto am-pamaranana ary dia mirary anareo hahaleo hahalasa amin’izao iraka anirahan’Andriamanitra sy ny Eglizy anareo izao. I Jesoa Kristy anie ho namana akaiky hanilo sy hitari-dalana ary hitantana ny fiananareo.
Toy ny sambokely mamakivaky onjan-drano ny fiainan’ny Eglizy eo anivon’izao tontolo izao ka aoka tsy ho kivin’ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana ary ny esoeso amam-panarabian’izao tontolo izao. Izay tsy mirotsaka ihany no tsy tojo zava-tsarotra ary raha tsy voasedra ny finoantsika tsy ho matotra.
Apetrakay eo ambany fiarovan’i Masina Maria ilay “Renin’ny tanora” sy “Môdelin’ny famaliana ny antson’Andriamanitra” ny dianareo sy ny ho avinareo manontolo.
“Aza matahotra ry tanora, fa sitrak’Andriamaitra ianao!”
Dia mitso-drano anareo am-pitiavana izahay Evekanareo !
Natao teto Mahajanga anio faha-14 Oktôbra 2018.