Fantaro ny JMJ Cracovie 2016 !
Cracovie, tananan’i Md Joany Paoly II no handray ny JMJ iraisam-pirenena ny 25 ka hatramin’ny 31 jolay 2016.
Ny lohahevitra ifantohan’ity fihaonana ity dia ny hoe Sambatra ny mamindra fo fa hamindrana fo izy (Mt 5,7).
Ireo olo-masina mpiaro ny JMJ Cracovie
Md Joany Paoly II sy Mb Faustine no mpiaro ny JMJ Cracovie 2016.
Md Joany Paoly II
Niriaria tao Cracovie ny Papa Joany Paoly faharoa. Ankoatr’ireo fotoana nianarany tany Rôma dia niasa maharitra tao Cracovie izy nandritra ny naha pretra, eveka ary Kardinaly azy.
Nanamarika ireny asa nataony ireny ny fifandraisany manokana tamin’ny tanora ka nahatonga azy ho angady nananana sy vy nahitana ny andro maneran-tanin’ny tanora.
Intsivy izy no nitsidika an’i Pôlônina nandritra ny fotoana naha Papa azy.
Mb Faustine
Teraka tao Glogowiec ny 25 aogositra 1905 Helena Kowalska. Matetika izy no niangavy ny rayaman-dreniny mba hirotsaka ho relijiozy saingy nolavin’izy ireo hatrany anefa izany fangatahany izany.
Tamin’ny fety iray, fotoana nahitany voalohany an’I Jesoa, no tapa-kevitra hamaly ny antson’Andriamanitra izy.
Nosafidiany ny fikambanana Notre-Dame de la Miséricorde ary nomena ny anarana hoe Faustine izy. Hahatsiarovan’ireo rahavaviny azy ny hafaliany, ny tsikitsiky nozarainy tamin’ny rehetra.
Nampiavaka azy ny nahafahany nahita an’i Jesoa sy niresaka taminy. Noraiketiny an-tsoratra ny resaka nifanaovan’izy ireo ka voadika amin’ny tenim-pirenena 30 ankehitriny ilay diary nosoratany ary izy no mpanoratra be mpamaky indrindra any Pôlônina.
Nodimandry teo amin’ny faha-33 taonany izy ary nasandratry ny Papa Joany Paoly II ho olomasina tamin’ny 30 aprily 2000.
Fandaharam-potoana mandritra ny JMJ Cracovie
Ny alatsinainy 25 jolay tolakandro no manomboka ny fandraisana ny mpivahiny ary ny alin’ny talata 26 jolay kosa ny sorona masina fanokafana.
Hisy avy eo ny katesizy isa-maraina, ny hetsika ara-kôltôraly, ny fanentanana ho amin’ny fiantsoan’Andriamanitra, ny lalàn’ny hazofijaliana ary ny sasa-kalina iarahana amin’ny Ray Masina.
Ny alahady 31 jolay no hotanterahina ny sorona masina fanirahana.
Hisoratra anarana hamonjy ny JMJ Cracovie
Hisy ny rindran-damina hapetraky ny Fivondronam-ben’ny eveka mikasika ny fivahiniana any Pôlônina.
Afaka miomana dieny izao kosa anefa amin’ny saran-dasy, ny saram-pitaterana ary ireo kojakoja maro mety ilaina.
Tsidiho ny www.krakow2016.com/fr raha te hahafantatra misimisy kokoa mikasika ny JMJ Cracovie 2016 ianao.