Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Vavaka ho fanambarana olontsambatra an’i Lucien BOTOVASOA

Vavaka ho fanambarana olontsambatra an’i Lucien BOTOVASOA

Ry Andriamanitra Rainay ô, Ravo izahay oloraiky fa nampahafantarinao ny fitiavanao tamin’ny alalan’i Jesoa Zanakao. Entanin’ny Fanahinao Masina izahay ka mitalaho Aminao : Vonjeo izahay vahoakanao ka mba ho sitrakao ny hampibaribary ny voninahitrao amin’ny...

Hafatry ny Papa ho an’ny JMJ faha-31

Ry Tanora Malala, Tonga eto amin’ny dingana famaranana ny fivahinianana masina mankany Cracovie isika amin’ny volana jolay ho avy izao ; toerana hankalazantsika miaraka ny andro maneran-tanin’ny tanora andiany faha-31. Teny an-dalana nandehanantsika, izay...

Ndao hamboly hazo !

Ndao hamboly hazo !

Fambolen-kazo eny amin’ny Ankamasoa ny asabotsy 27 febroary 2016 8 : Fahatongavana eo Mahazo 8 – 10.30 : Fanadiovana lalana (Mahazo – Ankamasoa), Fandavahana ny lavaka hambolena ny hazo 10.30 – 11: Fidiovana sy...

Vavaka ho an’ny fianakaviana

Vavaka ho an’ny fianakaviana

Ry Andriamanitra Trinite Masina : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ! Fianakaviana ianao ary Fitiavana mandrakizay. Fitiavana no naharianao ny olombelona ary antsoinao ho mpianakavy mahay mifankatia izahay rehetra. Toloranao ny Fianakavianao Masina izahay : Jesoa,...

Papa-Fransoa

Jereo ny horonan-tsary iarahanao mivavaka amin’i Papa Fransoa

Mihavao manaraka ny toetr’andro ny fanapariahana iireo fangatahana ampanaovin’ny Ray masina amin’ny vavaka fanolorana ny andro. Ny Papa Fransoa mihitsy no hanandratra vavaka ary hanentana ny olon-drehetra hiombom-bavaka amin’ny alalan’ny horonan-tsary. Nanomboka tamin’ity volana...