Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Manan-danja ny vehivavy

Manan-danja ny vehivavy eo anivon’ny fiaraha-monina

Mitarika antsika hivavaka ho an’ny vehivavy ny Papa Fransoa amin’ity volana ity. Mendrin-kaja izy ireo eo anivon’ny fiaraha-monina. Manentana antsika ihany koa ny Ray masina mba hitondra am-bavaka ny fanaovana rôzery.  

Gazety Hafatro

Raiso ka vakio ny gazety Hafatro

Gazetim-panabeazana ho an’ireo Iraka sy Vavolombelona ny Hafatro. Efa naparitaka ny laharana faha-797, ireto avy ireo lahatsoratra ho hitanao ao : Vavaka Fanolorana ny andro 2016 Famaranana ny Taon-jobily AFAFI-FET Hafatry ny Papa Fransoa...

Efa nahazo gazety Firaisankina ve ianao ?

Azo vidiana any amin’ny Foibe Nasionaly ny gazety Firaisankina laharana 214. Santionany amin’ireo lahatsoratra ho hitanao ao ireto : Hafatry ny Papa momba ny taonan’ny Famindrampo Famaranana ny Jôbily faha 100 taona FET tany...