Vavaka ho an’ny fianakaviana
Ry Andriamanitra Trinite Masina : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ! Fianakaviana ianao ary Fitiavana mandrakizay.
Fitiavana no naharianao ny olombelona ary antsoinao ho mpianakavy mahay mifankatia izahay rehetra.
Toloranao ny Fianakavianao Masina izahay : Jesoa, Maria, Josefa, ho hery sy fankatahaka.
Koa mitalaho aminao izahay, ry Trinite Masina !
Hamasino ny Fianakaviana rehetra :
- rotsahy ny fahasoavanao ny Raim-pianakaviana haka tahaka ny finoana sy ny herimpon’i Md Josefa.
- tahio ny Renim-pianakaviana ho fanilo sy fo mitempo, manome aina ny tokantranony toa an’i Masina Maria Virjiny.
- velomy amin’ny Fanahinao Masina ireo menaky ny aina hanahaka an’i Kristy.
- omeo ny Fahazavanao ireo tokantrano maro hahatsapa ny Hasin’ny Sakramentan’ny Mariazy. Hihamasina hatrany anie ny Fianakavianay, ho tonga Hazo tsara mamoa voa tsara : dia ny pretra sy ny relijiozy ary ny lahika vonon-kiara-miasa amin’i Kristy Mpamonjy, hampanjaka ny tena Fitiavana. Amen.