Vavaka ho fanambarana olontsambatra an’i Lucien BOTOVASOA
Ry Andriamanitra Rainay ô,
Ravo izahay oloraiky fa nampahafantarinao ny fitiavanao tamin’ny alalan’i Jesoa Zanakao.
Entanin’ny Fanahinao Masina izahay ka mitalaho Aminao :
Vonjeo izahay vahoakanao ka mba ho sitrakao ny hampibaribary ny voninahitrao amin’ny fanambarana ny Mpanomponao Lucien Botovasoa ho anisan’ireo Olontsambatra. Nasehony tamin’ny fiainany feno fanetren-tena ny fitiavany an’i Jesoa hajaina ao amin’ny Eokaristia Masina sy amin’ireo mahantra mifanena aminy isan’andro. Tsy nisaraka tamin’izany ihany koa ny fanajany lalina an’i Masina Maria. Mahatalanjona ny fitiavany ny Fiangonana sy ny Sekoly Katolika. Ohatra velona ho an’ny rehetra izy amin’ny fanajana ny lalina ny fiainam-pianakaviana sy ny fivelomana ny toe-panahin’ireo fikambanana masina nisy azy. Mahavariana ny fifikirany tamin’ny finoana ka nahatonga azy nanolotra ny ainy ho famonjena ny maro. Mila azy ho Mpiaro sy ho fakan-tahaka izahay Oloraiky.
Koa ampibaribario ny sitraponao, Ry Ray. Mba omeo anay, noho ny vavaka ataony, izao fangatahana aminao izao…
Matoky anao izahay, Ry Ray satria Andriamanitra Fitiavana sy be famindrampo ianao ary mahefa ny zavatra rehetra. Amin’ny alalan’i Kristy Zokinay sady Tomponay no angatahanay izany Amena
Simbôlin’ny Apostoly
Rainay…
Arahaba ry Maria…
Voninahitra…