Hafatry ny Papa ho an’ny JMJ faha-31
Ry Tanora Malala,
Tonga eto amin’ny dingana famaranana ny fivahinianana masina mankany Cracovie isika amin’ny volana jolay ho avy izao ; toerana hankalazantsika miaraka ny andro maneran-tanin’ny tanora andiany faha-31. Teny an-dalana nandehanantsika, izay sady lava no sarotra, dia notarihin’ny tenin’i Jesoa notsoahina tao amin’ny « Lahateny tany an-tendrombohitra » isika. Natombotsika ny dia tamin’ny 2014, nandinihantsika niaraka ny fahasambarana voalohany : « Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny Fanjaka’ny lanitra »(Mt 5, 3). Lohahevitra tamin’ny 2015 ny hoe : « Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5, 8). Mandritra ity taona diavintsika ity dia manaiky entanin’ny andinin’ny Soratra Masina manaraka hoe : « Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7).
Ny Jobilin’ny Famindrampo
Noho ity lohaheviny ity, ny JMJ atao any Cracovie dia tafiditra tsara ao anatin’ny fankalazana ny Taona Masin’ny Famindrampo, ka hanjary ho tena Jôbily maneran-tany ho an’ny tanora. Tsy sambany izao no nifanojo tamin’ny fihaonam-be iraisam-pirenen’ny tanora ny taon-jôbily. Satria tamin’ny fankalazana ny Taona Masin’ny Fanavotana (1983-1984) ny Olomasina Joany Paoly II no niantso voalohany, tao Roma, ny tanora manerana ny tany tamin’ny alahadin’ny Sampakazo. Nandritra ny Jôbily lehiben’ny taona 2000 ihany koa, no nifankahitan’ny tanora miisa roa tapitrisa mahery avy amin’ny firenena 165 tao Roma mba hankalaza ny Andro iraisam-pirenena faha-15 ho an’ny tanora. Toy ireo tranga roa voalohany ireo, azoko antoka koa fa ny Jobilin’ny tanora any Cracovie dia ho iray amin’ny fotoana sarobidin’ity Taona Masina ity !
Ny sasany aminareo angamba hanontany tena hoe : inona ity taon-jôbily ankalazain’ny Eglizy ity. Ny lahatsoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Levitika toko faha-25 no manampy antsika hahazo ny hevitry ny teny hoe « Jôbily » ho an’ny vahoaka Israely : Isaky ny 50 taona, ny Hebrio dia mandre ny trompetra manakoako (jobel), miantso azy ireo hankalaza ny Taona Masina, fotoan’ny fampihavanana (Jobal) ho an’ny rehetra. Fotoana manokana, mba hamerenana indray ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, amin’ny hafa ary amin’ny zavaboary, mifototra amin’ny fahafoizana tsy misy tambiny. Noho izany, ankoatry ny zavatra hafa, ampirisihana ny olona amin’ny famafàna ny trosa, ny fitsinjovana manokana ireo latsaka amin’ny fahantràna, ny fanatsaràna ny fifandraisan’ny samy olona ary ny fanafahana ny andevo.
Tonga sy nanatanteraka ny fotoam-pahasoavan’ny Tompo i Jesoa Kristy, nitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra, nanafaka ny voababo, ny fampahiratana ho an’ny jamba ary ny fahafahana ho an’izay ampahoriana (Lk 4, 18-19). Ao aminy, indrindra fa ao amin’ny Misterin’ny Paka, no tanteraka feno ny hevitra lalin’ny « Jôbily ». Rehefa miantso Jôbily amin’ny anaran’i Kristy ny Eglizy, dia asaina isika rehetra hiaina ny fotoam-pahasoavana amin’ny fomba miavaka. Ny Eglizy mihitsy no voaantso hanolotra famantarana miavosa ny fisian’Andriamanitra sy maha akaiky Azy, mba hamoha ao amin’ ny fo ny fahaizana mijery ny tena ilaina. Amin’ny fomba manokana, ity Taona Masin’ny Famindrampo ity dia « taona ho an’ny Eglizy hahafantarana indray ny hevitry ny iraka nankinin’ny Tompo azy tamin’ny andron’ny Paka : ho famantarana sy fitaovan’ny famindrampon’ny Ray » (Toriteny tamin’ny vavaka harivan’ny alahadin’ny Famindrampon’Andriamanitra, 11 avril 2015).
Mpamindra fo toa ny Ray
Ny teny manentana ity Jôbily miavaka ity – « Mpamindra fo toa ny Ray » (cf. Misericordiae Vultus, 13) – dia mifanaraka tsara amin’ny lohahevitry ireo JMJ manaraka. Andeha hofaritantsika tsara ny dikan’ny famindrampon’Andriamanitra. Rehefa miresaka momba ny famindrampon’Andriamanitra, ny Testamenta Taloha dia mampiasa voambolana samihafa, ka mazava kokoa ny hoe : hessed sy rahamim. Ny voalohany, ampiasaina amin’Andriamanitra, maneho ny fahatokiana maharitra tsy mivadika amin’ny Fanekena niaraka tamin’ny vahoakany, izay tiany sy avelany heloka mandrakariva. Rahamim, kosa, azo adika hoe : aty fanahy, ary mampahatsiaro manokana ny fon-dreny, mba hahazo ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany, dia toy ny fitiavan’ny reny ny zanany. Izaia mpaminany maneho tsara izany amin’ireto teny ireto : « Mety hanadino ny zanany va ny vehivavy ? Tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony va izy ? Na dia nanadino aza izy, izaho tsy hanadino anao » (Iz 49, 15). Izany fitavana izany dia manambara fa omena toerana ao amin’ny tena ny hafa, ka hahatsapa sy hijaly ary hifaly miaraka amin’ny manodidina isika.
Ny tenin’ny Baiboly momba ny famindrampo koa dia mifono fitiavana azo tsapain-tanana, mahatoky, maimaim-poana ary afaka mamela heloka. Ity andalatsoratra nalaina tao amin’ny Osea mpaminany ity dia manolotra antsika ohatra tsara iray momba ny fitiavan’Andriamanitra, oharina amin’ny fitiavan’ny Ray ny zanany : « Raha mbola tanora Israely, dia tiako izy, ary tany Ejipta natsoiko hoe zanako. Fa araka ny niantsoako azy ireo no nihatahany tamiko, nanolotra sorona tamin’i Baala izy, nanemboka ny sampy izy. Ary izaho niaradalana tamin’i Efraïma, nandray azy tamin’ny tanany, ary tsy azony fa nitandrina azy ireo aho ! Nitondra azy ireo tamin’ny fifandraisan’olombelona aho, tamin’ny fatoram-pitiavana ; Izaho ho azy ireo dia toy ny olona mitondra zaza minono tena akaikin’ny takolany, niondrika any aminy aho ary nampihinana azy » (Os 11, 1-4). Na dia nanao fitondrantena ratsy aza ny zanaka ka mendrika famaizana, ny fitiavan’ny Ray kosa mahatoky sy mamela mandrakariva ny zanaka manenina. Tsikaritra fa ny famelàna dia isan’ny famindrampo : « Ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy hevitra takarina an-tsaina, fa zavamisy azo tsapain-tanana maneho ny fitiavany, toy ny fitiavan’ny ray sy ny reny izay mamela ny fony hiontana ao amin’ny aty fanahiny ho an’ny zanany […] Avy amin’ny fo izy toy ny fihetseham-po lalina, natoraly, avy amin’ny halemem-panahy sy fangorahana, ny famelana ny sazy sy ny famelan-keloka » (Misericordiae Voltus, 6).
Ho an’ ny Testamenta Vaovao, ny famindram-pon’ Andriamanitra (eleos) dia ny famintinana ny asa nahatongavan’i Jesoa hotanterahina ao amin’izao tontolo izao, amin’ny anaran’ny Ray (Mt 9, 13). Miseho indrindra ny famindram-pon’Andriamanitra rehefa mirona amin’ny fahantran’olombelona Izy sy maneho ny fangorahany amin’izay mila fahazoana fanasitranana sy famelàna. Ny ao amin’i Jesoa rehetra dia milaza ny famindrampo daholo. Tsara kokoa aza ny ilazàna fa Izy mihitsy no famindrampo.
Ao amin’ny toko faha-15 n’ny Evanjelin’i Lioka, dia ahitàna fanoharana telo momba ny famindrampo : ny fanoharana ny ondry very, ny dragma very, ary ny fanoharana antsoina hoe : ny « zaza mpandany ». Ao amin’ireo fanoharana telo ireo, dia tohina isika amin’ny hafalian’Andriamanitra, hafaliana tsapany rehefa mahita mpanota iray mibebaka ka avelany heloka.
Eny ! Ny hafalian’Andriamanitra dia ny mamela heloka ! Izany no famintinana ny Evanjely manontolo. « isika tsirairay io ondry very io, io dragma very io ; ny tsirairay amintsika io zanaka nanimba ny fahafahany io, nanaraka ny sampy mamitaka, ny hasambarana diso, ary nanary ny zava-drehetra. Fa Andriamanitra tsy manadino antsika, ny Ray tsy mandao antsika na oviana na oviana. Ray manana faharetana Izy, miandry antsika mandrakariva ! Manaja ny fahafahantsika izy, nefa mahatoky hatrany koa. Ary rehefa mitodika aminy isika, dia raisiny toy ny zanany ao an-tranony, satria tsy mitsahatra na oviana na oviana izy miandry antsika am-pitiavana, na dia fotoana kely aza. Faly ny fony na iza na iza zanany miverina. Mifaly Izy satria hafaliana. Manana io hafaliana io Andriamanitra rehefa ny iray amintsika, mpanota, no manatona Azy sy mangataka aminy ny famelàn-keloka » (Angelus, 15 septembre 2013).
Tena azo tsapain-tanana ny famindrampon’Andriamanitra ary isika tsirairay no voaantso hiaina izany. Tamin’izaho 17 taona, indray andro izay, nivoaka niaraka tamin’ny namako aho, nanapakevitra aho fa hivily hitombi-tsaina tao amin’ny Egizy iray aloha. Vao tafiditra aho dia nahita pretra iray, nahatsapako fitokisana, ary tsapako fa nanam-paniriana hanokatra ny foko hikonfesy aho. Nanova ny fiainako io fihaonana io! Hitako fa rehefa manokatra ny fontsika amim-panetren-tena sy mangarahara isika, dia afaka mibanjina amin’ny fomba tena azo tsapain-tanana ny famindrampon’Andriamanitra. Azoko antoka fa tao amin’ilay pretra Andriamanitra, niandry ahy sahady, alohan’ny hanaovako dingana voalohany hiditra tao amin’ny Eglizy. Mitady Azy isika, fa Izy no efa mialoha antsika. Mitady antsika mandrakariva izy, ary izy no mahita antsika voalohany. Angamba misy aminareo manana vesatra ao amin’ny fo sy mieritreritra hoe : nanao an’ity aho, nanao an’itsy aho….Aza matahotra ! Miandry anao izy ! Ray izy : miandry antsika mandrakariva ! Mahafinaritra ny mahita ny famihinan’ny famindrampon’ny Ray, ao amin’ny sakramentan’ny fampihavanana, ny mahita ny trano fikônfesena ho toy ny toeran’ny Famindram-po, ny manaiky hokasihin’ny fitiavana feno famindrampon’ny Tompo izay mamela antsika mandrakariva !
Ary ianao ry tanora malala, tsy mba tsapanao nitodika taminao mihitsy ve io fijery feno fitiavana tsisy fetra io ? Io fijery, izay mihoatra lavitra ny fahotanao rehetra, ny fetranao, ny tsy fahombiazanao, ka manohy matoky anao, sy manome lanja ny amim-panatenàna ? Tsapanao ve ny hasarobidinao eo imason’Andriamanitra, izay nanome anao ny zavatra rehetra tamim-pitiavana ? Toy ny nambaran’i Md Paoly hoe : « Ny porofo fa tia antsika Andriamanitra, dia izao : Kristy, fony isika mbola mpanota, dia maty ho antsika » (Rm 5, 8). Fa azontsika tsara ve ny herin’ireo teny ireo ?
Fantatro hoe hatraiza ny maha sarobidy ny lakroan’ny JMJ – fanomezana iray avy amin’i Joany Paoly faharoa Olomasina- manaraka anareo amin’ny fihaonana rehetra iraisam-pirenena nanomboka tamin’ny 1984. Firy ny tena fibebahana marina, firy ny fiovàna nitranga tao anatin’ny fiainan’ny tanora maro nihaona tamin’ity lakroa tsotra nihanjaka ity ! Angamba mametra-panontaniana ianareo hoe : avy aiza ny hery tsy hay tohain’ ity lakroa ity ? Izao manaraka izao no valiny : ny lakroa no famantarana manintona indrindra maneho ny famindrampon’Andriamanitra ! Mampianatra antsika izy hoe ny fatran’ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ny olombelona dia ny mitia tsisy fetra ! Ao amin’ny lakroa no hatsapantsika ny famindrampon’Andriamanitra sy hamelantsika hokasihan’ny famindrampony ! Tiako ny mampatsiahy anareo eto ny vanin-tantaran’ireo jiolahy roa nofantsihana niaraka tamin’i Jesoa : ny iray tamin’ireo dia miavon-toetra, tsy miaiky ho mpanota, sy maneso ny Tompo, ny iray, kosa, miaiky ny hadisoany sy nitodika tamin’ny Tompo ary nilaza taminy hoe : « Jesoa ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny Fanjakanao ianao ». Nijery azy tamim-pamindrampo tsisy fetra i Jesoa, ka namaly azy hoe : « milaza marina aminao aho fa, anio ihany, dia miaraka amiko any am-paradisa ianao ». (Lk 23, 39-43). Iza amin’ireo no mitovy amintsika ? Mitovy amin’ilay mpihatrakatraka tsy miaiky ny hadisoany ? Sa amin’ilay niaiky fa mila ny famindrampon’Andriamanitra sy nitalaho taminy tamin’ny fo tokoa ? Hitantsika mandrakariva ao amin’ny Tompo izay nanolotra ny ainy ho antsika teo ambonin’ny lakroa, ny fitiavana tsy misy fepetra, mahalala ny hasin’ny fiainantsika sy manome antsika hatrany ny fahafahana manomboka fiainana indray.
Hafaliana mampitolagaga amin’ny maha-fitaovan’ny famindrampon’Andriamanitra
Mampianatra antsika ny Tenin’Andriamanitra fa « Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » (Asa 20, 35). Noho izany indrindra no hanambaran’ny fahasambarana faha dimy fa sambatra ny mpamindra fo. Fantatsika fa ny Tompo no nitia antsika mialoha. Fa tsy ho sambatra isika raha tsy mandray ny fomba fijerin’Andriamanitra momba ny fanomezana, ny fitiavana maimaimpoana. Tsy ho sambatra isika raha tsy hitantsika fa tia antsika tsisy fetra Andriamanitra, hany ka mahatonga antsika ho afaka mitia tsisy fetra, toa azy. Toy ny nolazain’i Md Joany hoe : « Ry malala, aoka hifankatia isika fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay tia dia naterak’Andriamanitra sy mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana […]. Ary toy izao izany fitiavana izany : tsy isika no nitia an’Andriamanitra, fa izy no nitia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorona fanavotana noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia tsy maintsy mifankatia koa isika samy isika » (1Jo 4, 7-11).
Rehefa avy nanazava fohifohy teo ny fomba nanehoan’Andriamanitra ny famindrampony aho, dia tiako izao ny hanolotra soridàlana mba hahatonga anareo ho fitaovana marin’ity famindrampo ity, ho an’ny hafa.
Tsaroako ny ohatra tsara navelan’i Olontsambatra Pier Giorgio Frassati. Hoy izy : « Mitsidika ahy isa-maraina ao amin’ny Komonio Masina i Jesoa, Izaho koa mitsidika azy, arak’izay mba vitako, rehefa mitsidika ny mahantra ». Azon’ity tanora Giorgio ity izany hoe : manana fo antra, mangoraka ireo tena sahirana. Nanome mihoatra noho ny zavatra materialy izy ; nanolotena izy, nandany fotoana niaraka tamin’izy ireo, niresaka tamin’izy ireo, sy nihaino azy ireo tamim-pitandremana. Nanompo ny mahantra tamim-pahanginana izy, sady tsy niseho ho lohalaharana na oviana na oviana. Tena niaina marina ny lazain’ny Evanjely izy hoe : « Raha manao asa fiantràna ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny tananao havanana, mba hiafina ny fiantranao » (Mt 6, 3-4). Alaivo an-tsaina fa ny alina talohan’ny hahafatesany, izy efa narary mafy iny, dia mbola nanohy nanome toromarika amin’ny fomba hanampiana ny namany, ny mahantra ihany izy. Tamin’ny fandevenana azy, gaga ny fianakaviany sy ny namany nahita mahantra marobe tonga, ireo olona notantaniny sy nampian’i Pier Giorgio, izay tsy fantan’ireo fianakaviany akory ny fisiany.
Tiako ny mampifandray ny Hasambaran’ny Evanjely sy ny toko faha-25 ao amin’i Matio, izay anehoan’i Jesoa ny asan’ny famindrampo sy nilazàny fa hotsaraina amin’ny fototr’ireo isika. Manentana anareo ary aho, hahalala ny asa maneho ny famindrampo ara-batana : manome hanina ny noana, manome hosotroina ny mangetaheta, manafy ireo tsy mitafy, mandray ny vahiny, mikarakara ny marary, mamangy ny voafonja, mandevina ireo nodimandry. Aoka tsy hadinointsika koa ny asa maneho famindrampo ara-panahy : manoro hevitra ireo ao anatin’ny fisalasalàna, mampianatra ireo ao anatin’ny tsy fahalalàna, mandray indray ireo mpanota, mampionona ny trapahoriana, mamela ny heloka, mizaka amim-paharetana ny olona manelingelina, mivavaka amin’Andriamanitra ho an’ny velona sy ho an’ny maty. Tsikaritrareo fa ny famindrampo tsy midika ho « tsara fo be fotsiny » na hoe fientanam-po ihany. Eo aminy no hanamarinana ny tena maha mpianatr’i Jesoa antsika, sy ny itokisana antsika amin’ny maha kristianina antsika amin’izao tontolo ankehitriny izao.
Manolo-kevitra anareo aho ry tanora malala, ianareo izay tena mijery ny zavamisy, ho an’ny volana fito voalohan’ny taona 2016, mba hifidy ‘asa maneho famindrampo iray ara-batana sy asa maneho famindrampo iray ara-panahy ianareo, ka hanatanteraka izany isaky ny volana. Meteza ianareo ho entanin’ny vavaky Masera Faustine, apostoly manetry tenan’ny Famindrampon’Andriamanitra ho an’ny androntsika izao :
« Ampio aho ry Tompo, mba hamindra fo ny masoko, ka tsy hiahiahy ny hafa na oviana na oviana na hitsara araky ny miseho eto ivelany, fa hahay manavaka ny tsara ao amin’ny fanahin’ny namako sy hanampiako azy […], mba hamindra fo ny sofiko, ka hiondrehako hanampy amin’izay ilain’ny hafa sy tsy hijanonako tsy hiraika amin’ny fahoriany na ny tarainany […] mba hamindra fo ny lelako ka tsy hilaza mihitsy zavatra ratsy momba ny namako, fa mba hananako teny fampiononana sy famelàna […], mba hamindra fo sy ho feno asa tsara ny tanako […], mba ho mpamindra fo ny tongotro ka handeha faingana ho famonjena ho an’ny manodidina ahy, ka handresy ny havizanako sy ny harerahako […], mba ho mpamindra fo ny foko, ka ho tsapako avokoa ny fijalianan’ny hafa […] (Journal, 163).
Ny hafatry ny famindrampon’Andriamanitra izany dia fandaharan’asan’ny fiainana tena azo tsapain-tanana sy adidy, satria mitaky asa. Ary ny asa iray takian’ny famindrampo tena mibaribary indrindra, nefa tena sarotra tanterahina koa, dia tsy azo isalasalàna fa ny mamela heloka an’ireo nanota tamintsika, ireo nanao ratsy antsika, ireo lazaintsika fa fahavalontsika. « Matetika mihitsy no hahatsapantsika fa sarotra ny mamela heloka! Kanefa, ny famelàna no fitaovana napetraka eo am-pelatanantsika malemy, mba hahatongavana amin’ny fiadanam-po. Ravàna ny lolom-po, ny hatezerana, ny herisetra sy ny valifaty, izany no fepetra tsy azo ialàna raha te hiaina ao anatin’ny hasambarana » (Misericodiae Vultus, 9).
Mihaona amin’ny tanora maro aho izay milaza fa valaka izy ireo noho ity tontolo mizara, ary ny mpikambana ao amin’ny orinasa iray mifaninana sy mifanandrina, ka mahatonga ny ady, ary misy aza mampiasa ny fivavahana mba hanamarinana ny herisetra. Tsy maintsy mitalaho amin’ny Tompo isika mba hanome antsika ny fahasoavana ho mpamindra fo amin’ireo manao ratsy antsika isika, toy ny endriky Jesoa teo amin’ny hazofijaliana, nivavaka ho an’ireo namantsika azy hoe : « Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony » (Lc 23, 34). Ny fanafody hiadiana amin’ny ratsy dia ny famindrampo. Marina fa ilaina ny rariny, fa tsy ampy raha izy fotsiny. Miara-dalana hatrany ny rariny sy ny famindrampo. Tiako indrindra ny hiombonantsika rehetra, mba hiara-mivavaka ao anaty fo lalina ao, sy hitalaho ny Tompo mba hamindra fo amintsika sy izao tontolo izao izy.
Miandry antsika i Cracovie
Volana vitsivitsy sisa dia tonga ny fihaonatsika any Pologne, Cracovie, tanànan’i Joany Paoly faharoa Olomasina sy i Masera Faustine Kowalska, izay miandry antsika amin’ny tanana sy fo misokatra. Mino aho fa ny fitsimbinan’Andriamanitra no nitarika antsika hankalaza ny Jôbilin’ny tanora any amin’ny tany izay niainan’ireo apostoly lehiben’ny famindrampon’Andriamanitra ireo amin’ny androntsika izao. Ny Olomasina Joany Paoly faharoa moa dia nandray izao androntsika izao ho fotoanan’ny famindrampo. Hatrany ampiandohan’ny naha Papa azy, dia namoaka ansiklika mitondra ny lohateny hoe Dives in Misericordia izy. Nandritra ny Taona Masina 2000, nasandrany ho Olomasina i Masera Faustine ary napetrany ho fetin’ny Famindrampon’Andriamanitra ny alahady faharoan’ny Paka. Ary tamin’ny 2002, izy tenany mihitsy no nitokana ny toerana masina fivavahana eo ambany fiarovan’i Jesoa Mpamindrafo tany Cracovie, sy nanankina tamin’ny famindrampon’Andriamanitra an’izao tontolo izao, nanehoany ny faniriany mba haharay ity hafatra ity daholo ny mponin’ny tany ka ho feno fanantenana ny fony : « Tsy maintsy arehitra ity pitikafon’ny fahasoavan’Andriamanitra ity. Tsy maintsy ampitaina amin’izao tontolo izao ny afon’ny Famindrampo. Ao amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra no hahitan’izao tontolo izao ny fiadanana, sy hahitan’ny olombelona ny hasambarana ! ». (Toriteny tamin’ny fitokanana ny toerana masina fivavahana tao Cracovie ny 17 aogositra 2002).
Ry tanora malala, Jesoa Mpamindra fo, aseho amin’ny sary hajain’ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny toera-masina fivavahana ao Cracovie izay voatokana ho azy, dia miandry anareo. Matoky anareo izy ary manantena anareo ! Maro ny zavatra manandanja hambara amin’ny tsirairay aminareo…Aza matahotra mifanena amin’ny fijeriny feno fitiavana tsisy fetra ho an’ny tsirairay aminareo, ary meteza hiantefan’ny fijeriny Mpamindrafo, vonona hamela heloka ny fahotanareo rehetra, fijery mety hanova ny fiainanareo sy hanasitrana ny ratran’ny fanahinareo, fijery manafaka hetaheta lalina izay mitoetra ao am-pon’ireo tanora : hetahetam-pitiavana, fiadanana, hafaliana sy tena hasambarana. Tongava ao Aminy ary aza matahotra ! Tongava eo aminy miteny amin’ny fo tokoa hoe « Jesoa ô, ankiniko aminao ny tenako ! ». Meteza hahatsapa ny Famindrampony tsisy fetra, mba ho tonga apostolin’ny Famindrampo koa ianareo amin’ny alalan’ny asa, ny teny, ny vavaka ho an’izao tontolo izao voaratran’ny fitiavan-tena, ny fankahalàna, sy ny fahadisoam-panatenàna.
Ento ny afo-pitiavana Mpamindrafon’i Kristy – araka ny filazan’i Olomasina Joany Paoly faharoa – any amin’ny seha-pikatrohana samihafan’ny fiainana andavanandro, ary hatrany amin’ny faravazan-tany. Ao amin’ity iraka ity, miombona aminareo aho, miaraka amin’ny firariantsoko feno tanteraka sy ny vavaka ataoko. Ankiniko amin’i Masia Maria Virjiny, Renin’ny Famindrampo ianareo rehetra, mandritra ity dingana farany fihomanam-panahin’ ny JMJ ho avy atao any Cracovie ity, ary mitsodrano anareo rehetra amin’ny foko tokoa aho.
Natao teto Vatican, ny 15 aogositra 2015,
Fankalazana manetriketrika ny nampiakarana an’i Maria Virjiny.
Papa Fransoa