Taonan’i Md Josefa : Vavaka fanajana
Miarahaba anao izahay, ry ray mpiahy ny Mpanavotra,
Vady masin’i Maria Virjiny
Ianao no nanankinan’Andriamanitra ny Zanany lahy tokana,
Ianao no nametrahan’i Masina Maria ny fitokisany,
Noho ny fanekenao dia tonga olombelona i Kristy.
Ry Md Josefa ô, efa ao anatin’ny fahasambarana ianao
koa misehoa ho ray marina ho anay,
tantano amin’ny lalan’ny fiainana izahay
Tolory tanana izahay mba hahazo ny fahasoavana,
sy ny indra fo, ary ny herim-po ilainay ;
Ary arovy amin’ny ratsy rehetra izahay.
Amen
Papa Fransoa