Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – mey 2019
Mba ho lalivain’ny fampiraisana ny samy vahoaka amin’ny fandraisana andraikitra anie ny kristianina aty Afrika sy Madagasikara, izay tandindon’ny fanantenana ho an’ny kaontinanta afrikanina.
Mitodika amin’ny Fiangonana aty Afrika sy Madagasikara ny fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina antsika Kristianina mandritra ity volana Mey ity. Na dia azo lazaina fa mbola tanora aza ny Fiangonana aty Afrika sy Madagasikara, raha oharina amin’ny Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana izay niandohan’ny fivavahana Kristianina, dia azo ambara sy hita fa miroborobo sy velona tokoa ankehitriny. Tsy eo amin’ny fitombon’ny vita Batemy fotsiny,fa eo amin’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy ihany koa. Voaporofo izany amin’ny fiainam-piangonana eto amin’ny Nosintsika.
Betsaka ny lahika tsara sitrapo no mandray andraikitra eo anivon’ny Fiangonana sy ny Firenena. Mihamaro ireo tanora no mamaly ny antson’Andriamanitra ho Pretra sy Rellijiozy, ary ankehitriny aza dia efa miandrandra misiônera avy aty Afrika sy Madagasikara ny Eglizy any amin’ny Firenena mandroso.
Ny Batemy noraisina moa no tena maha Kristianina sy maha zanak’Andriamanitra,ao amin’ny Eglizy. Ary tena Mpaminany tokoa izay rehetra nandray io Sakramenta io, ka manana adidy sy andraikitra amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Mila iainana rahateo ny Batemy sy ny Sakramenta noraisina. Izany no maha Kristianina mafy. Eo amin’ny seha-piainana manontolo mihitsy no iainana ny finoana, ijoroana amin’ny maha Kristianina mpanaradia an’i Kristy.
Amin’ny alalan’ny Sakramenta noraisina, dia voantso hitory, hampanjaka ny fiombonana ombam-piraisana eo anivon’ny tontolo sy ny manodidina azy ny Kristianina. Manomboka ao anivon’ny fianakaviana izany, any amin’ny toeram-piasana, ny fiaraha-monina sy ny firenena manontolo.
Ka matoa mitodika amintsika aty Afrika sy Madagasikara ny fangatahana ataontsika amin’ny Fanolorana ny andro, ao amin’ny Tambajotra-Pivavahan’ny Papa dia ny fahatsapan’ny Papa Ray Masina fa tena fanantenana sy ho avin’ny Egilzy maneran-tany tokoa ny Eglizy aty Afrika. Ary tsy ho an’ny Eglizy na ny Fiangonana ihany fa ho an’ny Firenena sy ny kaontinanta afrikanina manontolo mihitsy.
Ny fijoroan’ny Fiangonana sy ny fandraisany andraikitra eo anivon’ny tontolo sy ny firenena misy azy no fanantenana sy antoka iray lehibe ho an’ny firaisam-pirenena sy ny fandrosoan’ny vahoaka manontolo. Izay no maha fanasina sy lalivay ny kristianina mpanaradia an’i Kristy. Fa i Kristy mihitsy no nilaza hoe: “Ianareo no fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao” (Mt 5, 13-14).
Amim’izao fiomanantsika handray ny Papa Ray Masina ho avy hamangy antsika izao dia sady misaotra an’Andriamanitra isika no mivavaka ho an’ny Papa sy ny Eglizy eto Madagasikara ary ny Firenena manontolo.