Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA
Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.
Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.
Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.
Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika
Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!
Mandrakizay
Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj
Mankalazana ny faha 10 taona nijoroany ny Ivotoerana Sosialy Arrupe. Misy ny hetsika hanamarihana izany. Toy izao ny fandaharam-potoana : • Alakamisy 14 Mey 2015 – 03 ora tolakandro : lamesa fanokafana, paroasy Md...
Volan’i Masina Maria ny volana mey. Fotoana fanararaotra handalinana ireo fampianaran’ny Fiangonana mikasika an’i Masina Maria. Maro ireo Papa no nanoratra taratasy mikasika an’i Masina Maria, indro atolotra antsika izy ireny. Vitsy no amin’ny...
TSATILAKRI ! Namorona dihy mirindra miaraka amin’ny hira “Deep in my heart” ny FET any Italia. Afaka mianatra izany dihy izany isika miaraka amin’ity horonan-tsary ity. Ifampizarao amin’ny ekipa rehetra ! AFITEMA
Mba ho afaka mikarakara ireo olona mijaly, indrindra ireo marary sy mahantra, isika ka handà ilay toetsaina tsy miraika amin’ny manjo ny hafa. Ary ho vonona hitory an’i Jesoa, noho ny fanampian’i Masina Maria,...
Ry Terezikely ô, nampanantena ianao fa tsy hiala sasatra raha mbola misy koa fanahy mila famonjena ka nilaza hoe : « Raha eken’Andriamanitra ny faniriakao dia holaniako amin’ny fanaovan-tsoa ny tany ny lanitro ; rahefa tonga any...
Nivoaka tamin’ny 16 aprily 2015 ireo tarehimarika mikasika ny fiainan’ny Fiangonana tamin’ny taona 2013 : – 1 miliara sy 253 tapitrisa ny kristianina katôlika : nahatratra 34% ny fitomboana taty Afrika, teo anelanelan’ny 2005...
Nanoratra taratasy ho an’izy efatra mirahalahy filoha FFKM ny Fivondronam-ben’ny Evekan’i Madagasikara (CEM). Ambaran’izy ireo fa maro ny zavatra mahalasa eritreritra satria toa mifangaro be loatra : 1- Eo amin’ny fampihavanana atao dia toa...
Alahadin’ny Mpiandry Ondry Tsara ny alahady faha-efatry ny karemy, ilay Mpiandry Ondry mahafantatra, miantso, mamelona ary mitarika ny ondriny. Efa dimampolo taona izao no namafisina ny vavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra mandritra ny alahadin’ny Mpiandry...
Notendren’i Papa Fransoa hisolo tena azy eto Madagasikara i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, 54 taona. Toa izao ny momba azy : 1988 : nohamasinina ho pretra tany amin’ny diosezin’i Ugento-Santa Maria di Leuca. 1996...
Ry AFAFI sy FET namana manerana ny Nosy « Mba ho ao aminareo ny fifaliako » (Joany 15, 11) Io tenin’i Jesoa tamin’ny Apostôly io no entina miarahaba antsika rehetra amin’izao fankalazana ny Paka izao, no...