Vavaka hasivian’andro miaraka amin’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely
Ry Terezikely ô, nampanantena ianao fa tsy hiala sasatra raha mbola misy koa fanahy mila famonjena ka nilaza hoe : « Raha eken’Andriamanitra ny faniriakao dia holaniako amin’ny fanaovan-tsoa ny tany ny lanitro ; rahefa tonga any an-danitra aho dia tsy hitsahatra ny handrotsaka oran-draozy ety ambonin’ny tany ». Tsy diso anjara tamin’izany ity Nosy malalanay ity, ka toa taminy ilay fanirianao hoe : « Te-ho misionera aho, …te hitety ny tany manontolo aho hatrany amin’ireo Nosy faran’izay lavitra indrindra ».
Tsy misy miafina aminao ny zava-misy eto amin’ny firenenay, ao amin’ny Fiangonanay, ao amin’ny fianakavianay ary ny aminay tsirairay avy. Koa mangataha ary amin’Andriamanitra ho anay mba……dia ho zary fitiavana ihany koa izahay ao am-pon’ny Fiangonana Reninay. Amen.
Rainay…
Arahaba ry Maria…
Voninahitra…