26 aprily 2015 : andro maneran-tany faha 52 ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra
Alahadin’ny Mpiandry Ondry Tsara ny alahady faha-efatry ny karemy, ilay Mpiandry Ondry mahafantatra, miantso, mamelona ary mitarika ny ondriny. Efa dimampolo taona izao no namafisina ny vavaka ho an’ny Fiantsoan’Andriamanitra mandritra ny alahadin’ny Mpiandry Ondry Tsara mba « hanirahany mpiasa hijinja ny vokany » (Lk 10, 2).
Manasa antsika handalina manokana ny hevitry ny « eksaody » ny Papa Fransoa amin’ity taona ity. Hitantsika ao amin’ny Bokin’ny Eksaody ny tantaran’ny namonjen’Andriamanitra ny zanak’Israely, azo lazaina fa fanoharana ny famonjen’Andriamanitra an’izao tontolo izao ihany koa io tantara io.
Ohatra azontsika raisina amin’ny famaliana ny Antson’izy Tompo ny nataon’i Abrahama : nialany ny taniny ary nandeha nizotra am-pinoana izy satria fantany fa hanoro azy ny lalana mankany amin’ny taniny vaovao Andriamanitra.
Hahita fiainana lafatra kokoa izay manara-dia an’i Kristy, hoy izy hoe : « Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. » (Mt 19, 29)
Mitodika manokana amin’ny tanora ny Papa Fransoa : « Manafaka, manova ary manatsara ny fiainantsika ny Evanjely. Soa tokoa ny manaiky ny Antson’Andriamanitra, mandray ny teniny, mampirindra ny fisianao amin’ny dian’i Kristy ao anatin’ny fiderana ny misiterin’Andriamanitra sy ny fanompoana ny hafa ! Hitombo hafenoana sy hafaliana isan’andro ny fiainanao !
Halalino ny hafatry ny Papa.