Tambajotram-Pivavahan'ny Papa Maneran-tany MADAGASIKARA

Hafaliana feno firariantsoa no iarahabana antsika izay manokatra sy mijery ary mamangy ity tranokalan’ny AFAFI-FET ity. Ho amintsika lalandava anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana ao amin’ny Fanahy Masina.

Efa ela ihany izay no naniriana sy namolavolana ity tranokala ity, hampielezana sy hitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana na ny « Apostolat de la Prière » sy ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora (FET) na « Mouvement Eucharistique des Jeunes », ary koa ho fampahafantarana ny fikambanana amin’ireo liana hahalala sy hiditra hanatevin-daharana ao.

Tontosa izany ankehitriny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ireo manan-talenta sy tsara sitrapo ary ny Ekipa sy ny mpiara-miasa aminy. Mbola be ny fanatsarana tsy maintsy atao sy ny tovana ombieniombieny. Ho fiaingana sy fanombohana ihany izao. Angatahana ny fanohanantsika rehetra ny fanatsarana azy, na am-bavaka izany na torohevitra na amin’ny hoenti-manana ihany koa aza.

Isaorana manokana ireo teknisianina, izay tsy hoe nanampy fotsiny fa tena nandray an-tanana mihitsy ny fanatontosana. Fa indrindra isaorana Andriamanitra tompon’ny fandaharana sy ny zavatra rehetra, fa izy no mitantana sy manoro antsika amin’ny fanilon’ny Fanahy Masina izay tokony hataontsika

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa Kristy!

Mandrakizay

Ny Aomônie Nasionaly. P. Odon Honoré ANDRIANARISOA sj

Ry FET, areheto ny afon’ny Hafaliana !

Ry FET, areheto ny afon’ny Hafaliana !

Anisan’ny ahafatarantsika ny MEJ Liban ilay hira hoe “Je vis le MEJ” : hita ao amin’ny www.facebook.com sy www.youtube.com Amin’izao fankalazana ny taon-jaobily izao dia namorona ny  “Le MEJ en feu de joie” ihany koa...

Arahabaina nahatratra ny fetin’ny Fo masin’i Jesoa !

Manana anjara toerana manokana amintsika Afafi-Fet ny Fo masin’i Jesoa. Amin’izao fetiny izao ary dia manasa anao handalina misimisy kokoa ireo fifampizaràna misy ao amin’ny tranon-kalatsika : http://apmej.net/fr/coeur-de-jesus Tsapanao ve ny fitiavany anao tsy...

Ireo sakana tsy mampandroso ny fiaraha-monina malagasy

Ireo sakana tsy mampandroso ny fiaraha-monina malagasy

Amin’izao iray volan’ny teny malagasy izao, sady fotoana iantrehantsika rahateo ny fetim-pirenena, dia manasa antsika ny MCCP (Mouvement Chrétien de Cadres et de Professionels) handalina ny antony tsy mampandroso ny fiaraha-monina malagasy. Eny amin’ny...

Mandray ny aina, mizara ny fiainana

Mandray ny aina, mizara ny fiainana

Indro atolotra antsika indray ny fanomanam-panahy iainantsika ny taon-jôbily. Sady ankatoky ny fankalazana ny Sakramenta Masina isika no ao anatin’ny Volan’ny Fo Masin’i Jesoa rahateo, koa miarahaba atsinka rehetra fa andron’ny AFAFI-FET maneran-tany ny...

Fivondronamben'ny eveka

Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka, mey 2015

Nivoaka ny 13 mey teo ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka ho an’ny kristianina sy ireo tsara sitra-po rehetra. Mizara telo ny hafatr’ireo eveka : Milaza miara-mahita : ampatsiahivana ireo toe-javatra iainan’ny firenena ankehitriny. Ny...