Mangatam-bavaka amintsika ny Papa Fransoa
« Mangataka aminareo aho mba hivavaka ho ahy sy ireo mpiara-miasa amiko » hoy ny Ray Masina Fransoa tamin’ny alahady teo nandritra ny anjelisy. Ny alahady tolakandro izy sy ny ekipany no nihazo an’i Arricia, tanàna any atsimo atsinanan’i Rôma. Natombok’izy ireo tamin’ny fitsaohana ny Sakramenta Masina ny laretirety. Mompera Ermes Ronchi no hitantana ny Papa sy ny mpiara-miasa amin’ity taona ity. Nanoratra boky maro ity pretra italianina ity ary mizara ny Evanjely amin’ny fahitalavitra ihany koa izy.
Fotoam-pihavaozana sy fandinihan-tena ny karemy ka amporisihina isika hanamafy ny fampiasam-panahy ataontsika.