Fankalazana ny taona ignasianina : ndao hiara-mivavaka !
Mahita ny zavatra rehetra mihavao amin’i Kristy
Mankalaza ny taona ignasianina ny Fikambanan’i Jesoa. Nisokatra ny alakamisy 20 mey teo izany ary hifarana ny 31 mey 2022. Hisy ny vavaka iombonana maneran-tany ny alahady 23 mey ho avy izao.
500 taona nibebahan’i Md Ignasy
Daty nanamarika ny fianan’i Md Ignasy avy any Loyôla ny 20 Mey 1521. Naratra be izy rehefa niatrika ady tany Pampelune. Voa mafy ny tongony ka voatery nijanona am-pandriana nandritra ny fotoana maharitra.
Tena miseho amin’ny endrika maro tokoa ny fiantsoan’Andriamanitra. Nampirehitra ny fony ny famakiana ny tantaran’ireo olomasina. Fototra niorenan’ny Fampiasam-panahy ireo fandinihana nataony tamin’izany.

Hiombom-bavaka isika amin’ny Pentekôty
Hisy ny fiombonam-bavaka maneran-tany ny alahady 23 mey izao amin’ny 9 ora alina. Mpivahiny miaraka amin’ny Md Ignasy no lohahevitra anentanana antsika amin’izany.
Maro ny hetsika hatao mandritra ny taona ignasianina. Hatolotra antsika miandalana eto ireny.