Firy aminareo no mivavaka ho an’ireo kristianina mijaly ?
Manontany antsika ny Papa Fransoa ao anatin’ilay horonan-tsary nivoaka tamin’ity volana ity hoe : “Firy aminareo no mivavaka ho an’ireo kristianina enjehina ?”
Mifantoka amin’ireo kristianina mijaly ny vavaka fanolorana ny andro amin’ity volana ity. Maro izy ireo no mizaka ny tsy eran’ny ainy, tsy manavaka finoana ireo mpampijaly fa rehefa manara-dia an’i Jesoa dia ataony mahita faisana. “Firaisampinoana ao anatin’ny rà”, io no teny ampiasain’i Ray Masina hilazana ny zava-misy.
Raha ny antontan’isa farany dia mihoatra ny 200 tapitr’isa ireo kristianina mijaly amin’izao fotoana izao. Izany hoe mpino 1 amin’ny 12 no voaenjika noho ny finoany.