Tolotanana ho an’Antsakabary
AFAFI,
Noho ny trangan-javatra nampalahelo niseho tany Antsakabary, Befandriana Avaratra, dia maro ireo Kristianina namoy ny fananany, maro ireo mpianatra tsy afaka mianatra noho ny fahamaizan’ny sekoly. Nanao antso avo ny Evekan’ny Diosezin’Ambanja ho antsika rehetra afaka manao fanampiana ho an’ireo mponina.
Anisan’ny manana AFAFI-FET maro ny Paroasin’Antsakabary koa adidintsika mpikambana AFAFI-FET no mitondra ny anjara birikintsika ho fanohanana ireo havantsika traboina, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao. Endrika iray hahafahantsika manatanteraka ny Fanolorona ny andro ataontsika isan’andro izany. Ny ezaka iarahantsika manao voalohany dia ny fitondrana am-bavaka azy ireo. Fa eo ihany koa ny fanampiana ataontsika tsirairay avy ara-pitaovana sy ara-bola.
Ho antsika AFAFI-FET àry dia azontsika atao ny mandefa izany aty amin’ny Foibe Nasionaly. Raha Vola no arotsaka dia azo alefa amin’ny kaonty MVOLA 034 06 262 59 na Airtel Money 033 02 892 13.
Marihina fa havoaka amin’ny gazetim-panabeazana sy ny seraserantsika AFAFI-FET (mail, FB, Site web) ny ezaka ataontsika AFAFI-FET manerana ny Nosy.
Koa samia àry miezaka mba ho mendrika ny Fiantsoana antsika ato anatin’ny Fikambanana.
AFITEMA
Foibe Nasiônaly AFAFI-FET
Lot IVG 199, Porte 36 – 38
CNPC Antanimena
Contacts: 033 02 892 13 / 034 06 262 59
Email : fet_afafi@yahoo.fr