Fantaro i Md Louis De Gonzague
Loharano : www.jesuites.com
Ankalazaina anio 21 jona Md Louis De Gonzague, mpiaro ny tanora, indrindra fa isika mpianatra.
Amin’izao taonan’ny fiainana voatokana izao dia anisan’ny ohatra fakan-tahaka i Md Louis de Gonzague amin’ny fihainoana ny antson’Andriamanitra.
Nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa
Zanak’andriana i Louis de Gonzague. Teraka ny taona 1568 izy ary vao 9 taona monja dia efa nivoady hadio mandrakizay teo anoloan’ny ôtelin’i Maria virijiny. Na dia nipetraka tao an-dapan’ny mpanjaka aza izy nandritra ny taona maro dia tsy mba roboka tamin’ireo filàna isan-karazany. Nanaiky ny hidirany ho zezoita ny rainy rehefa nandà nandritra ny taona maro (1587).
Namoy ny ainy noho ny fanompoana ny hafa
Nihanaka tao Rôma ny pesta tamin’ny 1591. Nirotsaka nitsabo ny marary ireo mpianatra zezoita hany ka voan’ny pesta ihany koa i Louis de Gonzague ary nodimandry ny 21 jona 1591, 23 taona izy tamin’izay.