Soridalana ho an’ny taom-panabeazana 2016 – 2017
«Miambena ianareo ary mivavaha » (Marka 14, 38a)
Afafi ! – FET !
Hafaliana ho anay aty amin’ny Foibe Nasiônalin’ny AFAFI-FET no miarahaba antsika rehetra Aomônie, Zoky am-panahy, Mpanabe sy ny AFAFI-FET tsy ankanavaka manerana ny Nosy amin’izao fiandohan’ny Taom-pikatrohana izao. Mbola ao anatin’ny Taona Masin’ny Famindram-po isika amin’izao fotoana, ka inoana fa nitondra soa sy fahombiazana ho antsika AFAFI sy FET manerana ny Nosy izany.
Atolotra antsika àry ny Soridalana hoenti-miaina mandritra ny taom-pikatrohana vaovao 2016-2017. Araka ny efa voalaza tetsy ambony dia mamaramparana ny Taonan’ny Famindram-po isika, ka tohizina ny fiainana ny Teny faneva teo aloha mandra-pahatapitr’izany ; kanefa efa iainana sahady ny vaovao. Toy ny fanaontsika mahazatra dia ialohavan’ny « Jery todika » ho an’ny taona lasa izany ary anomezana antsika ihany koa ireo vaovao tsara ho fantatra eo anivon’ny AFAFI-FET, na avy eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
1. Jery todika ny taona lasa
« Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo » (Lk 6, 36). Io no teny Faneva niainan’ny Fiangonana nandritra ity taona Masin’ny Famindram-po ity ary efa eo am-pamaramparanana azy isika amin’izao fotoanaizao. Noraisintsika tato amin’ny AFAFI-FET ihany koa izany. Inoana sy antenaina fa nitondra vokatsoa teo amin’ny fiainantsika tsirairay ny taonan’ny Famindrampon’Andriamanitra ka tsy hijanona hatreo ny fiainana azy fa hitohy mandritra ny taona maro mifandimby.
Nanamarika iny taom-pikatrohana iny ihany koa ny fiofanana Nasiônaly nataontsika in-droa miantoana. Ny tapany atsimo moa dia notanterahina tao Betafo, ao amin’ny Diôsezin’Antsirabe ary ny tapany Avaratra kosa dia tao Tsarahasina, ao amin’ny Diôsezin’i Port Bergé. Nahatonga solontena avokoa ireo Diôsezy rehetra afa-tsy ny Diôsezin’i Moramanga. Toy izao àry ny isan’ireo mpandray anjara nandritra ny Fiofanana :
Antsirabe : 6 ; Ambositra : 10 ; Fianarantsoa : 5 ; Ihosy : 10 ; Toliara : 10 ; Taolagnaro : 6 ; Farafangana : 10 ; Mananjary : 7 ; Morombe : 1 ; Morondava : 5 ; Ambanja : 10 ; Ambatondrazaka : 5 ; Antananarivo : 10 ; Tsiroanomandidy : 10 ; Cnecaum : 10 ; Fenoarivo Atsinanana : 14 ; Toamasina : 14 ; Miarinarivo : 6 ; Mahajanga : 8 ; Antsiranana : 6 ; Port-Bergé : 10. Marihina moa fa 10 isan-diôsezy no nantsoina tamin’iny fiofanana iny fa nisy ireo Diôsezy nangataka mihoatra rehefa maro ireo tsy nahafeno ny isa. Nomena tombony manokana ihany koa ireo Diôsezy mpandray, ka tao amin’ny Diôsezin’i Port Bergé dia nahatratra 38 ireo mpanabe tonga nanatrika ny fiofanana.
Amin’ny ankapobeny dia fandalinana ny fiainana maha-AFAFI-FET no nifotoran’ny fiofanana. Anisany zava-baovao natolotra tamin’iny fiofanana iny ny sampana AFAFI sy ny Psikolôjia momba ny ankizy sy ny tanora. Koa isaorana ny mpampiofana sy ny mpandray anjara, fa teo ihany koa ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka tamin’ny fikarakarana rehetra. Isan’izany ny Evekan’ireo Diôsezy nandray sy ny Pretra ary ny Kristianina rehetra mpiara-miasa aminy. Singanina manokana ihany koa ny Aômonie sy ireo AFAFI-FET niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana ny toerana sy ny sakafon’ireo mpiofana. Soa fianatra tokoa ny nataon’izy ireo ary tena naneho ny fiainana maha-AFAFI-FET antsika. Ho hitantsika eo ambany moa ireo Diôsezy mifampitondra am-bavaka mandra-pahatongan’ny fiofanana Nasiônaly manaraka indray.
Niaraha-nahita sy nahatsapa koa anefa tamin’ny fihaonana sy ny fifampizarana natao nandritra iny fiofanana iny, indrindra tamin’ny tatitra nalefantsika, fa mihen-danja ny fahavitrihan’ny ankizy sy ny tanora miditra amin’ny fikambanana masina. Toa vokatry ny rivotra ateraky ny fanatontoloana sy ny zava-misy iainana ankehitriny izany, kanefa toa misy andraikitrantsika mpanabe ihany koa ka mampandini-tena.
Fa nandritra iny taona iny ihany koa dia maro ireo toerana novangian’ny Foibe Nasionaly, tao ny Zaikabe na Kôngresy Eokaristika, tao koa ny fiofanana ho an’ny Mpanabe sns… Tsikaritra nandritra ireny fitsidihana nataon’ny Foibe Nasionaly ireny fa tsy vitsy tokoa ireo manao ezaka ka ahitam-pahombiazana amin’ny fanabeazana ny mpikambana ato anatin’ny AFAFI-FET. Tsy azo odian-tsy hita koa anefa ireo toa matoritory na matimaty ka mila tairitairina sy fifohazana. Inoanay tanteraka fa ireny fitsidihana sy fiofanana natao ireny dia hamerina indray ny lanjan’ny Fanabeazana AFAFI-FET ka hahatratrarantsika ny Tanjom-panabeazana imasoana sy ikelezantsika aina.
-
Soridalana iombonan’ny AFAFI-FET manerana ny Nosy ho an’ny Taona 2016-2017
Hankalaza ny faha 100 taona niorenan’ny FET eto Madagasikara isika amin’ny 2019. Tsara ny mahafantatra fa isika eto Madagasikara no hanamarika izany voalohany taorian’iny fankalazana maneran-tany iny. Tsy ho ela intsony izany fa telo taona monja dia higadona, ka dieny izao dia entanina isika hiomana amin’izany, indrindra eo amin’ny lafiny ara-panahy.
Aina mamelona ny AFAFI-FET « ny Fivavahana, ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia », ka hifotorantsika akaiky ny fiainana sy fandalinana izany mandritra ny telo taona fiomanana am-panahy. Toy izao manaraka izao no hampiharantsika izany isaky ny taom-pikatrohana:
- Taona 2016-2017: antsoina hoe: “Taonan’ny Vavaka”. Teny Faneva: “Miambena ianareo ary mivavaha” (Marka 14, 38a)
- Taona 2017-2018: antsoina hoe: “Taonan’ny Tenin’Andriamanitra”. Teny Faneva: “Tompo ô, Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay” (Joany 6, 69)
- Taona 2018-2019: antsoina hoe: “Taonan’ny Eokaristia”. Teny Faneva: “Raiso ary hano: Vatako ity… Isotroinareo rehetra: Rako ity” (Matio 26, 26 – 28)
Marihina fa raha misy fankalazana vanim-potoana manokana ao amin’ny Fiangonana, toy ny hoe Taon-jaobilin’ny Famindrampo, dia ampiarahana amin’ny Teny Fanevantsika AFAFI-FET izany.
Indro àry atolotra antsika ny Soridalana ho an’ny taona 2016 – 2017, izay antsointsika hoe: Taonan’ny Vavaka.
Teny Faneva :
“Miambena ianareo ary mivavaha” (Marka 14, 38a)
Soratra Masina:
- Testamenta Taloha : Ny Salamo
- Testamenta Vaovao : Evanjely nosoratan’i Md Marka sy ny Asan’ny Apôstôly
N.B : Toy ny mahazatra antsika isan-taona dia tsy mahasakana ny fandalinana sy famakὶna ny Baiboly manontolo ireo Boky telo voatondro ireo; fa ireo no natolotra dia ho an’ny Taonan’ny Vavaka diavintsika. Ny Boky tsirairay ao amin’ny Baiboly rahateo dia samy maneho ny hasarobidy sy fahambonian’ny Vavaka izay fifandraisana manokana amin’Andriamanitra.
- Halalinina ireo Boky ireo amin’ny alalan’ny :
- Sary velona
- Fifaninanana
- Fifampizaràna…
- Ankoatra ny famakὶna ny Salamo manontolo dia hifidy Toko iray amin’ny Salamo hatao tsianjery ny mpikambana tsirairay ka araka izay voasoratra ao amin’ny Baiboly fa tsy izy efa namboarina ho tononkira azo hiraina tsy akory. Ny Salamo iray manontolo mantsy dia tena Vavaka fanaon’ny vahoaka Jody sy nampiharin’i Jesoa teo amin’ny fiainany mihitsy.
Fanamby sy ezaka ho an’ny faha 100 taonan’ny FET Madagasikara
- Fanamby sy ezaka ataontsika mandrapahatongan’ny fankalazana ny faha 100 taona, ny hananan’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Irak’i Kristy sy ny Vavolombelon’i Kristy Testamenta Vaovao. Ho an’ny Zandrin’i Kristy dia tsara raha manana ireny Baiboly an-tsary ireny izy ireo.
- Isika EKA, AFAFI, Mpanabe kosa dia tsy maintsy hanana Baiboly feno hahafahantsika manabe sy mampita amin’ny beazina ny Tenin’Andriamanitra.
- Fanamby ihany koa ny hananan’ny mpikambana tsirairay ny Lakroa AFAFI-FET iombonana manerantany. Aty amin’ny Foibe Nasiônaly irery ihany no ividianana io Lakroa io mba hisian’ny fitoviana sy ny fiombonana. 1500 Ariary no vidin’ny iray.
- Ezaka imasoantsika ny hampijoro ny sampana Zandrin’i Kristy sy ny AFAFI any amin’ny toerana mbola tsy misy izany.
- Fanamby lehibe ny hananana sy hampiasana ny gazetim-panabeazana sy Miha-Jesoa isan’olona.
Fiainam-panahy
Iarahantsika mahalala fa noraisin’ny Papa Fransoa manokana ho Tambajotram-pivavahana iarahana aminy eran-tany ny vavaka Fanolorana ny andro, ka ny AFAFI-FET no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampielezana izany. Tsy ny fampielezana fotsiny anefa fa isika mihitsy no tsy maintsy miaina sy mivelona izany voalohany. Koa entanina isika mba handalina indray ny aim-panahy fototra maha-AFAFI-FET antsika, izay miorina amin’ny Hery telo mitondra antsika ho amin’ny asam-pamonjena anirahana antsika : Fivavahana – Tenin’Andriamanitra – Eokaristia.
Ho an’ny EKA sy ny Mpanabe ary ny AFAFI dia amporisihina mihitsy mba hanokana fotoana hanaovana laretirety telo andro isan-taona fara-fahakeliny, ankoatra ny Fihatahana Masina. Misy ireo Ekipa fototra sy Diosezy izay efa nanao izany hatry ny ela, ka efa tena zary fiainany mihitsy. Soa fianatra ho antsika izy ireny. Tsy atao ambanin-javatra ihany koa anefa ny fiainana efa nahazatra antsika hatramin’izay dia ny fanaovana Fitsaohana Masina (Adoration) sy ny Raozery Masina na Sapile.
Ho an’ny EKA sy ny AFAFI ary ny Mpanabe dia hazoto handalina ny Finoana amin’ny alalan’ny fampianaran’ny Fiangonana sy ny hafatry ny Papa isan-karazany toy ny hafatry ny Papa ho an’ny Tanora, ho an’ny Fianakaviana, momba ny Fandriampahalemana, ny fiarovana ny Voaary sns.
Aoka samy hiezaka araka izay azo atao ny Mpanabe amin’ny fanabeazana omeny mba hahatonga ny mpikambana rehetra « hanao ny fiainana ho zary Fivavahana » : Ny fanaovana ny Fanolorana ny andro sy fiainana izany mandritra ny andro no hahatonga Vavaka izay rehetra atao sy ho famonjena izao tontolo izao. Tsy ho menatra ny haneho sy hiaina ny Finoana amin’ny fiainana andavanandro, hamokatra fiainam-panahy mendrika ny maha AFAFI-FET ka ho tena Vavolombelon’i Kristy marina tokoa ho an’ny tontolo manodidina azy. « Ho voninahitra ho an’ny Raiko ianareo raha mamoa be sy tonga mpianatro », hoy i Jesoa (Jo 15, 9).
Vavaka fanolorana ny andro 2017
Amporisihina sy ankaherezina isika rehetra mba samy hanao ezaka araka izay tratra amin’ny fampielezana ny Vavaka Fanolorana ny andro, izay anentanan’ny Papa Ray Masina antsika. Aoka tsy hionona amintsika mpikambana fotsiny ny fampielezana izany fa hipaka amin’ny Fiangonana manontolo mihitsy.
Ireo rehetra mbola tsy nahaloa ny sarany tamin’ny taon-dasa dia iangaviana hanefa izany mba hahafahanareo maka ny vaovao. Entanina ny isan-diôsezy mba samy hanao ezaka amin’ny fampielezana azy satria isika no tompon’andraikitra voalohany amin’izany fa ny vita Batemy rehetra no miara-miombom-bavaka amin’ny Papa.
—————–
Noho ny halavan’ny soridalana dia nozaraina ny fampitana azy mba hazava tsara amintsika ny votoatiny.
Raha toa ka hamaky ny tapany faharoa : Soridalana ho an’ny taom-panabeazana 2016 -2017 (tohiny)