Mompera Arturo Sosa, Filoha jeneraly vaovaon’ny Fikambanan’i Jesoa
68 taona mompera Arturo Sosa (vakiana hoe soza) Marcelino Abascal amin’izao nahafoafidy azy ho Jeneraly faha 31 aorinan’ny Md Ignace de Loyola izao. Teratany venezoelana, avy any Amerika latinina. Izy no Filoha Jeneraly voalohany avy amin’ny kaontinanta amerikana sy faritr’i Amerika latinina. Mahafehy ny fiteny espagnola, angilisy ary italiana izy. Afaka mamaky teny frantsay.
Efa nitana andraikitra maro teo anivon’ny fikambanana
Nisahana iraka manan-danja mahakasika ny sosialy, politika sy ny manodidina ny fiarahamonina tato amin’ny Fikambanan’i Jesoa izy. Efa Lehiben’ny Faritra zezoitan’i Venezoelà nandritra ny taona 1998-2004. Nisahana ny apostolat sosialin’ny Faritra izy talohan’izany. Nitantana oniversite, fampianarana ambony, nampianatra tamina oniversite, tsy tany Amerika latinina ihany fa hatrany Amerika avatra toa an’i Geogetown University koa. Nandalina momba ny siansa politika sy fitondrana izy ary nanoratra boky maro momba ny politika any Amerika lalitina sy Venezoelà.
Teo am-piandraiketana izany sehatry ny fampianarana ambony sy ny tontolon’ny oniversite izany izy no voantso hisahana ny andraikitra lehibe teto Roma. Izy no notendren’i Mompera Adolfo Nicolas, Jeneraly teo aloha, hisahana ny atao hoe maisons romaines, dia ireo trano foiben’ny Fikambanana maneran-tany eto Roma sy ny any Jerosalema, toy ny curie générale, ny infirmerie sy ireo oniversite ankinin’ny Papa Ray masina amin’ny Fikambanana, isan’ireny ny Gregoriana, ny Biblicum, sns. Toy izany koa ny radio vatikana sy ny observatoire aty Roma sy ny any Tukson (Arizona) any Etazonia.
Araka izany dia mpanolon-tsaina akaiky ny Filoha Jeneraly teo aloha izy. Ny CIP na commission inter-provinciale, izay vaomiera sy rafitra anampiana an’i Mompera Jeneraly. Solontenan’ny conferences 7 mirahalahy miaraka amin’ny provensialin’i Italia no mandrafitra io vaomiera sy rafitra mpanolo-kevitra io. Ny Dir na ny lehiben’ny maisons romaines dia ity Mompera Filoha Jeneraly vaovao ity, izy no filohan’ny vaomiera. Noho izy voafidy Filoha Jeneraly izao, dia tsy maintsy hanendry olona vaovao izy, handray io andraikitra lehibe io.
Pierre André Ranaivoarson, lehiben’ny faritra zezoitan’i Madagasikara