Hafatry ny FEM mikasika ny taratasy Fiducia supplicans
MANKAHALA NY FAHOTANA NY ANDRIAMANITSIKA FA TIA NY MPANOTA ARY MANIRY NY HIBEBAHANY
“Izaho koa tsy manameloka anao. Mandehana ka aza manota intsony” (Joany 8,11)
Ho an’ny mpiray tanindrazana tsy an-kanavaka, indrindra ny kristianina katôlika
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
01. An-kafaliana sy fanantenana hatrany no iarahabanay anareo, indrindra amin’ny fahatratrarana ny Noely 2023 sy ny fandraisana ny taona vaovao 2024. Ny taona 2024 izay voatokana ho “Taonan’ny Vavaka” ary mampita antsika ho any amin’ny Jôbily lehibe faha 2025-n’ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany. Ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka no nahatongavany; ny olona rehetra no samy tiany hahazo anjara amin’ny fanavotana nentiny. Ny fanirian’i Jesoa moa dia ilay voalaza ao amin’ny vavaka nataony hoe : “Mba hanomezan’ny Zanaka ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao (Ray) Azy” (Joany 17,2).
Ilay fanambaràna nataon’i Vatikana.
02. Ny antony anoratanay Eveka ho anareo dia momba ilay fanambaràna “ Fiducia supplicans ” (FS) — izay adika amin’ny teny malagasy hoe “ Fitokisana am-pitalahoana ” nataon’i Vatikana izay navoakan’ny Foibe misahana ny Foto-pampiaranam-pinoana tamin’ny 18 desambra 2023 teo ary nosoniavin’i Papa Fransoà. Niteraka resabe sy adi-hevitra, fihantsiana amampanenjehana ny Papa sy ny Eglizy katôlika izany. Maro, indrindra ny kristianina katôlika, noho izany, no very hevitra sy mametra-panontaniana hoe : inona ny marina ? Ambaranay ety am-piandohana fa tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan’ny mitovy fananahana na oviana na oviana ato amin’ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara. Sady tsy misy ao anatin’ny Fampianaran’ny Eglizy Katôlika izany no tsy nolazain’ny Papa rahateo, ary tsy mifanaraka amin’ny kolontsaintsika malagasy ihany koa. Noho izany indrindra no tokony hahazoana tsara ny votoatin’ilay fanambaràna mba tsy hampiroaroa saina antsika. Ny tanjon’ilay fanambaràna dia ny famindram-po, ny fisokafana, ny fanakaikezan’ny Eglizy ny olona, ny tsy fanilihana na iza na iza izay voizin’ny Sinaody “ Mba ho Eglizy miara-dia ” fa tsy sanatria ny fanekena ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana. Ny tena mibahan-toerana ao amin’ilay fanambaràna dia ny hevitry ny tso-drano sy ny fanomezana azy ao amin’ny asa pastôralin’ny Eglizy. Fitalahoana fanampiana amin’Andriamanitra be fitiavana no dikan’ny fangatahana tso-drano ataon’ny mpino. Mangataka izy mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fomba fiainana ka hahazo ny famonjena avy amin’i Jesoa Kristy (jereo FS lah. 20-21). I “Jesoa Kristy no tso-dranon’Andriamanitra lehibe indrindra […] tso-drano izay namonjy antsika rehetra tsy ankanavaka” (FS lah. 1). Famantarana hita maso na sakramentan’izany ny Eglizy izay angatahana hanome an’io tso-drano io. Na izany aza dia tsy mitovy ny tso-drano raisina amin’ny fankalazana ny Sakramenta sy ity tso-drano omena raha toa angatahin’ireo olona marefo voalaza ao amin’ny lahatsoratra ity. Ao amin’ny fankalazana ny sakramenta izay omen’ny Eglizy dia mitaky fepetra sy dingana samihafa ny fanomezana ny tso-drano (jereo FS lah. 9) izay miendrika fankatoavana ny toe-piainan’ireo mangata-tso-drano. Ny fangatahan-tso-drano tsotra kosa, izany hoe ilay tso-drano atao ivelan’ny fankalazana sakramenta dia tsy voatery handalo amin’izany fepetra sy dingana izany (jereo FS lah. 12-13). Ny finoan’ilay olona mangataka tso-drano no tena jerena ka ny “fitokisana an’Andriamanitra” indrindra no omen’izany tso-drano izany sy ampitomboiny (jereo FS lah. 33, 36). 2 Mahakasika mivantana ilay tso-drano tsotra (tsy ara-tsakramentan’ny fanambadiana) an’ireo mpivady ivelan’ny fanambadiana kristianina — ireo mpivady tsy miroso amin’ny fifanekena masina ao amin’ny sakramenta (mpivady manao tokantrano maso), ireo nisara-panambadiana, ireo manambady olon-kafa aorian’ny fisarahana, ireo mampirafy — sy ireo lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy mifankatia dia toy izao: “azo atao ny mitsodrano ireo mpivady ivelan’ny fanambadiana kristianina sy ireo lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy mifankatia. Tsy misy anefa fombam-pivavahana raikitra voafaritry ny manam-pahefana ao amin’ny Eglizy amin’izany fanomezana tso-drano izany mba tsy hifangaro amin’ny fanomezana tso-drano voatokana ho an’ny fankalazana ny sakramentan’ny fanambadiana”. Tsy midika velively ho fanekena ny fiarahan’izy ireo ny tso-drano omena azy ireo izay ao anatin’ny toe-pahotana. Ny Fahasoavana hifikirany amin’Andriamanitra sy amin’ny sitrapony no italahoan’ny Eglizy mba harotsaka amin’izy ireo raha toa ka mangataka izany am-pinoana izy ireo. Marihana tsara fa ny olona no tsofin-drano fa tsy ny fiarahana ataony ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna. Tsy ny fiarahan’izy ireo no tsofin-drano fa ny olona tsirairay mba hivoahany tsikelikely homban’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fomba fiarahany izay tsy mamaly araka ny tokony ho izy ny laha-janahary ho an’ny olombelona. Tsy mitso-drano fahotana velively ny Eglizy, fa manome ny tso-dranon’Andriamanitra ho an’ny mpanota mba hizorany amin’ny lalam-pibebahana ka hahazoany famonjena.
Ny sakramentan’ny fanambadiana kristianina
03. Tsy miova ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fanambadiana kristianina. Ny fanambadiana kristianina dia fifaneken’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, ary entina maneho ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika; koa miara-miasa amin’Andriamanitra Mpahary izy mivady amin’ny fiterahana sy ny fikolokoloana ny zanany. Izay ihany no azo antsoina hoe mariazy kristianina. Ny tso-dranon’ny sakramenta no manandratra ny mpanambady kristianina amin’izany fahamboniana izany. Araka izany fampianaran’ny Eglizy izany dia mbola antitranterinay fa tsy afaka hanaiky sy hitsodrano ny fanambadiana ivelan’izany ny Eglizy, ka anisan’izany ny Eglizy eto Madagasikara. (Azo jerena ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika – KFK, lah. 1601 sy ny manaraka).
Andriamanitra tsy manavaka
04. Ny toetran’Andriamanitra hita ao amin’i Jesoa ihany no entin’ny Eglizy manao ny asany. Nolazainy mazava fa Andriamanitra Ray dia “mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina” (Mt 5,45). Samy tian’Andriamanitra daholo isika satria samy zanany ka tsy avakavahany. Izy Jesoa rahateo dia nandray ny olona rehetra tsy an-kanavaka, indrindra ireo nailikilika satria nohelohin’ny lalàna sy ny fiaraha-monina. Hitantsika izany, ohatra, tamin’ny fandraisany an’i Zake, ny fiarahany nisakafo tamin’ny mpanota sy ny pôblikanina, ny famelany heloka ilay vehivavy nijangajanga, toy izany koa ilay jiolahy niara-nofantsihina taminy. Nanafintohina ny olona, indrindra ireo mpitondra fivavahana jody sy ny farisianina ireo fihetsik’i Jesoa ireo. Ireo mpitondra fivavahana jody sy ny farisianina izay tondroiny ho mpihatsaravelatsihy. Tsy hoe nanaiky ny fomba fiainan’ireo olona ireo akory i Jesoa fa nanokatra lalana sy fiainam-baovao ho azy ireo Izy ary natoky ny fibebahan’izy ireo satria Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Joa 14,6), fa tsy mpanameloka.
Ny fifankatiavan’ireo mitovy fananahana: lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy
05. Manana ny fototra ara-tSoratra Masina sy ny fampianarana mifandimby nolovainy hatramin’izay ny Eglizy katôlika. “Ny anambadian-kiterahana, ny anambadian-ko namana…”, hoy koa ny fahendren-drazantsika Malagasy. Ambaran’ny soatoavina malagasy ary hamafisin’ny fampianaran’ny Eglizy mazava tsara araka izany fa tsy voajanahary ny tokantrano aorin’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy (3) ka tsy ho azo alahatra amin’ny fanambadiana voajanahary sy voatso-drano velively. Amin’ny maha Reny ny Eglizy kosa anefa dia mandray azy ireo ho toy ny zanaka marefo – ara-pitondran-tena sy ara-panahy – izy ka mitady ny fanampiana sahaza azy ireo satria olombelona manana ny zo aman-kasiny ary mpino antsoina ho amin’ny famonjena ihany koa. (jereo KFK, lah. 2357-2359). Izany no nahatonga ny fanambaràna avy any Vatikana hanome alalana sy hampirisika ny Eglizy hanome tso-drano (tsy ara-tsakramenta) ny olona manana izany fironana izany raha toa ka mangataka izany izy.
Fehiny
06. Hamafisinay Evekan’i Madagasikara etoana àry ny fampianaram-pinoan’ny Eglizy hatramin’izay, izay hita ao amin’ny Soratra Masina sy ny Lovam-panahy ary ny Toniam-pampianaran’ny Eglizy. Tsy hisy na oviana na oviana ny tso-drano hanamafisana orina na hilazana ny fankatoavana ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Manaja ary manaiky ny Papa Ray Masina amin’ny maha dimbin’i Md Piera sy amin’ny maha famantarana ny maha iray ny Eglizy azy sy ny fampianarany izay mpino Katôlika. Ezahantsika hatrany ny handray sy hahazo araka ny izy ny fampianarany izay miorina mandrakariva ao amin’ny fampianaran’ny Eglizy. Miombona aminy isika.
Antso
07. Antson’Andriamanitra ho antsika mba handini-tena sy hifampivavaka no azo andraisana ireo zava-nitranga momba ity fanambaràna “Fitokisana am-pitalahoana” ity:
– Ry ray aman-dreny sy mpanabe, aoka ianareo ho saro-piaro hatrany amin’ny fanabeazana sy ny fanaraha-maso ny zaza sy ny tanora mba tsy hivaona ny fitondran-tena, ka ho latsaka amin’io fikorontanana maha olona io sanatria. Tsara lavitra ny manabe mba ho vanona ny taranaka, noho ny manozona sy miantso loza ary manilika izay marefo.
– Ry tanora, aoka tsy ho mpanaraka ny rivotry ny fiainana fotsiny. Tsy izay ataon’ny hafa akory dia mety sy mendrika avokoa. Aza sondriana amin’ny androany ihany, fa mitsinjova lavitra. Aza misalasala mangataka toro-hevitra amin’ny ray aman-dreny sy mpanabe ary ireo raiamandreny ara-panahy.
– Ry kristianina katôlika, aza misendaotra amin’ny fanenjehana sy fanaratsian’ny olona antsika noho ny fampianaram-pinoantsika. Mampirisika antsika ireny tranga ireny ny amin’ny tokony handalinantsika misimisy sy tsara ny foto-pinoantsika sy ny fampianaran’ny Eglizy mba haharetantsika hatramin’ny farany.
-Aoka isika samy hiezaka hiala amin’ny fahotana izay manohitra ny lalàn’Andriamanitra ka hiroso amin’ny làlan’ny fibebahana na iza izy na iza.
– Ry Pretra rahalahy, mila Mpiandry ondry tahaka an’i Jesoa izao androntsika izao; mila izany ireo olona marefo, amin’ny lafiny rehetra, indrindra ireto olona marefo ara-panahy sy arapitondran-tena resahina eto ireto. Koa ataovy am-pahamalinana sy am-pitiavana ny asa anirahan’Andriamanitra sy ankininy amintsika.
08. Koa enga anie isika rehetra tsy an-kanavaka mba tsy ho mpanilika ny hafa fa hiara-dia amin’ny hafa; ho mpitondra azy am-bavaka sy ho mpanarina araka izay mety ho vitantsika. Entintsika am-bavaka koa ny Papa sy ny Eglizy izay miezaka maneho hatrany ny toetran’Andriamanitra tia ny mpanota sy ireo voailika. Mitso-drano sy mirary soa ny isam-pianakaviana izahay mba ho ambinin’Andriamanitra amin’izay rehetra atao sy kasaina mandritra ity taona 2024 ity, omban’ny vavaky ny Fianakaviana masina tao Nazareta.
Natao teto Antananarivo, anio 2 janoary 2024
Izahay Evekan’i Madagasikara Raiamandreninareo