Tag: TPPM

Miady amin’ny kolikoly isika

Miady amin'ny kolikoly isika

« Mba tsy ho voasariky ny fanaovana kolikoly ireo manan-katao sy ireo mpanao politika ary ireo mpitondra fivavahana », io ny Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina mandritra ity volana febroary ity. Indro ny horonan-tsary manazava izany :

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina volana Febroary 2018

« Mba tsy ho voasariky ny fanaovana kolikoly ireo manan-katao sy ireo mpanao politika ary ireo mpitondra fivavahana ». Mifantoka indrindra amin’ny fiadiana amin’ny fanaovana kolikoly ny vavaka iraisantsika ao amin’ny Tambajotram-pivavahan’ny Papa Maneran-tany amin’ity volana ity. Ny kolikoly izay miparitaka sy mihanaka amin’ny sehatra maro maneran-tany ankehitriny ka toa zary lasa fanatontoloana mihitsy aza. Maro samihafa …

Lire la suite

Fangatahan’ny Papa Ray Masina volana Janoary 2018

« Mba ho afaka miaina an-kalalahana ny finoany ireo Kristianina sy ireo mpino ara-pivavahana hafa vitsy an’isa any Azia » Vao tsy ela fa tamin’ny volana Novambra 2017 lasa iny isika no nasain’ny Papa niombom-bavaka taminy ho an’ireo Kristianina any Azia, amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao dia manentana antsika sahady izy amin’ny Fanolorana ataontsika isan’andro hitrotro am-bavaka, …

Lire la suite

Fanolorana ny andro : fangatahana ho an’ny volana desambra 2017

Mba ho afa-mandray anjara amin’ny fampitana ny finoana sy ny fanabeazana ny taranaka anie ireo zokiolona, noho ny fahendreny sy ny traikefany ary noho ny fanohanan’ny fianakaviany sy ny ankohonana kristianina azy.

Fangatahan’ny Papa ao amin’ny TPPM Novambra 2017

TPPM novambra 2017

« Mba hijoro ho vavolombelon’ny Evanjely amin’ny asa sy ny teny atao anie ny kristianina any Azia, ka hiroborobo ny fifanakalozan-kevitra, ny fandriampahalemana sy ny fifankahazoana am-po, indrindra amin’ireo antokom-pivavahana hafa ». Mitondra ny mafy ireo Kristianina any Azia Anisan’ny kaontinanta be mponina indrindra maneran-tany  ny firenena ao Azia. Fantatra amin’izany fahamaroan’ny mponina izany i Chine sy …

Lire la suite