Feno 50 taona ny CEPAL : fifaninanana hira faneva sy logo
Ao anatin’ ny fankalazana ny jobily faha 50 taonan’ny CEPAL (Commission épiscopale pour l’apostolat des laïcs) dia misy fifaninana hira faneva sy logo
Toa izao ny andinindininy :
LOHAHEVITRA : « Ianareo no fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao… koa mitsangana… Mirosoa amin’ny lalina » (Matio 5,13- Lioka 5,4)
HIRA FANEVA :
- Tsy maintsy ahitana ny lohahevitry ny jobily miaraka amin’ny teny fanevan’ny CEPAL : Finoana –Fiombonana-Firotsahana
- Ny faharetan’ny hira dia 3mn raha fohy indrindra ary 5mn raha lava indrindra
Hatao anaty valopy mitokana ny tonon-kira sy ny raki-kira (voarakitra anaty CD) ary anaty valopy hafa ny mahakasika ny mpifaninana.
LOGO
- Tsy maintsy ahitana ny lohahevitry ny jobily miaraka amin’ny teny fanevan’ny CEPAL : Finoana –Fiombonana-Firotsahana
- Ny loko hampiasaina dia : fotsy , mavo , mena , maintso ary mainty
Hatao amin’ny taratasy A4
Hatao anaty valopy mitokana ny Logo ary anaty valopy hafa ny mahakasika ny mpifaninana
FAMETRAHANA NY FIFANINANA
Ny fara fanaterana ny fifaninana dia ny 04 Septambra 2020
CEPAL – Immeuble CNPC Antanimena Porte n° 27– Antananarivo 101
Filan-kevitra
cepalmadagascar@yahoo.fr, +261 34 93 305 09, + 261 33 17 990 15