Maintirano, diosezy faha-22 eto Madagasikara
Niampy iray ny diosezy eto Madagasikara. Ny 8 febroary no najoron’i Papa Fransoa ho diosezy Maintirano. Mba hahatsotra ny fahazoantsika azy dia mifandraika amin’ny faritr’i Melaky ity diosezy vaovao ity. Araka izany dia tanan-dehibe dimy no mandrafitra azy : Maintirano, Ambatomainty, Morafenobe, Antsalova ary Besalampy. Mirefy 33.794 km2 ny diosezin’i Maintirano, 264.494 ny isan’ny mponina ka 31.205 amin’ireo no pino katôlika.
Mgr Gustavo, evekan’i Maintirano
Notendren’ny Ray Masina ho eveka voalohany i Mgr Gustavo Bombin Espino izay niahy ny diosezin’i Tsiroanomandidy nanomboka ny taona 2003. 57 taona izy ary efa nitantana ny distrikan’i Maintirano. Marihina fa teratany espaniôla Mgr Gustavo. Taorian’ny nanamasinana azy ho pretra (1987) dia voatendry ho misionera taty Madagasikara izy.