Fanentanana avy amin’ny Fivondronamben’ny Eveka momba ny famangian’i Papa Fransoa an’i Madagasikara
« Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko…. Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo” (Ez 36, 27-28)
Homba antsika mianakavy anie ny fiadanana!
Misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka ny faniriantsika sy ny an’ny Papa Fransoa, hamangy an’i Madagasikara ny 6 -10 septambra 2019, ho avy izao. Fitia mifamaly mahatsara fihavanana.
Famangiana pastoraly miavaka izany amin’ny maha filohan’ny Eglizy maneran-tany azy : hamafy fanantenana sy fiadanana ho antsika eto Madagasikara.
Manantanteraka ny fanamby apetrany ho an’izao tontolo izao izy : mandeha manatona ny vahoaka (sortie). Mankahery ny mahantra sy mizara ny hafalian’ny Evanjely.
Koa manentana antsika rehetra àry hivavaka sy hahay handray ireo toromarika rehetra, indrindra fa ireo izay omen’ny vaomieran’ny fandalinam-pinoana sy ny katesizy, ho fanomanana ara-panahy ity fahatongavan’ny Papa Fransoa ity.
HAMAFY FANANTENANA SY FIADANANA
Hararaotintsika izao fahasoavana omen’Andriamanitra antsika izao hanarenantsika miaraka ireto lesoka ireto :
- Na mameno trano fiangonana aza ny kristianina dia tsapa fa tsy mbola mafy orina ny finoana ka mihena ny fandraisana sakramenta. Tsy tafita ny fandalinam-pinoana.
- Ny fiaraha-monina mikorontana, samy mitady ny ho azy, ny fiainana lafo vidy, ny kolikoly lasa fomba amam-panao, ny fitsarana lasa gaboraraka, tafahoatra ny vono olona etsy sy eroa; tsy mbola mandry fahalemana ny tany na dia eo aza ny ezaka lehibe iarahan’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka. Misara-bazana ny fianakaviana.
- Ireo tanora tsy mahita modely tsara hotahafina ka mora voasariky ny rendrarendra samihafa, mivarilavo amin’ny zava-mahadomelina, tsy manaja ny soatoavina, tsy mahafola-tena hilofo hiasa ka « mitady tany malemy hanorenam-pangady ».
- Lasa toa fahazarana ny manao fampanantenana poak’aty sy ny fanaovana politika mampisara-bazana ny mpiray tanindrazana indraindray, ary ny fomba fiasa koa matetika toa tsy ahatsapana ny tena fitiavan-tanindrazana marina… fahazaran-dratsy manangona ny ho an’ny tena no hita fa tsy mitsinjo ny soa iombonana
- Mibaribary ny fahasimban’ny soatoavina sy ny hasina maha-olona ary indrindra ny “Tranobe iombonana” eto Madagasikara.
Ho tonga hamafy fanantenana ny Papa Ray Masina :
- Handray sokajin’olona maro samihafa Izy : Filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana, fiaraha-monim-pirenena sy ny masoivoho vahiny, Eveka, Pretra, Relijiozy, Seminarista, Skolastika sy Novisy… Filoham-piangonana ao amin’ny FFKM sy mpitondra fivavahana ary ireo tsara sitra-po rehetra
- Hankahery ireo tanoran’i Madagasikara izy sy ireo fianakaviana eny amin’ny Akamasoa (Père Pedro).
- Fa indrindra, hankalaza Sorona Masina lehibe hiombonan’ny Malagasy rehetra eny Soamandrakizay – Androhibe.
Ho tonga hamafy fiadanana ny Papa Ray Masina :
- Amin’ny maha PAPA FRANSOA AZY : Mpiandry ondry mahatoky izy, mamangy firenena maneran-tany; tsy mitsaha-manoratra sy mampianatra mba hampitombo finoana ny olona sy hampirindra ny fiainan’ny Eglizy. Araka ny voalazan’i Jesoa hoe : « Ho aminareo anie ny FIADANANA » (Jn 20,19).
- Ho antsika eto Madagasikara : Hamafy fiadanana izy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fampianarany, izay inoana fa hampiombona antsika Malagasy rehetra, na katolika na tsy katolika, na mpino na tsy mpino, na ambanivohitra na an-tanandehibe…
- Hanamafy orina ny fihavanana izy ka hampirisika antsika hifandray tànana mba ho afaka handrava ny elanelana misy amin’ny farim-piainana andavanandro.
- Ary haneho amintsika rehetra koa fa ny EGLIZY dia « Fahazavan’ izao Tontolo izao » ao amin’i KRISTY izay MAMONDRONA NY SOATOAVINA REHETRA. (jer. Ef 1, 10)
“Manentana anareo aho hampijoro firaisan-kina, tsy misy fitiavan-tena, ary hiverina amin’ny fiharian-karena sy ny fitantanam-bola miompana amin’ny fitsipi-piainana ara-môraly mitandro ny hasina maha olona.”, hoy ny Papa Fransoa. (Hafalian’ny Evanjely n°58)
Entintsika am-bavaka ary ny Papa Fransoa mba ho salama lalandava ka ho tonga soa aman-tsara eto anivontsika. Ankinintsika amin’i Masina Maria sy ireo Olomasina ary ireo Olontsambatra rehetra niaina teto Madagasikara ity famangiana miavaka ity.
Mitso-drano anareo rehetra,
Ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara
Ny Filoha : Son Eminence le Cardinal TSARAHAZANA Désiré
Natao teto Antananarivo
Anio 14 mai 2019
Fankalazana an’i Md Matiasy, Apostoly.