Mandray ny aina, mizara ny fiainana
Indro atolotra antsika indray ny fanomanam-panahy iainantsika ny taon-jôbily. Sady ankatoky ny fankalazana ny Sakramenta Masina isika no ao anatin’ny Volan’ny Fo Masin’i Jesoa rahateo, koa miarahaba atsinka rehetra fa andron’ny AFAFI-FET maneran-tany ny Alahadin’ny Sakramenta Masina.
Ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana, fiainam-panahy maha iraka iveloman’ny FET
« Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona masina, sitrak’Andriamanitra : izany no fanompoam-panahy mety hataonareo » (Rm 12, 1).
Manolotra anao fiainam-panahy tsotra sy lalina ny AinaFamonjena ny Fivavahana, miorina amin’ny Batemy sy ny Eokaristia izay mampiray anao amin’ny Fon’i Jesoa, ka mety manova ny fiainanao.
Ahoana io fiainam-panahy io ?
Ny votoatiny dia fanolorana ny fiainana isan’andro amin’Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy izay, nefa tena zava-dehibe tsy vita indray andro.
Ahoana no fanolorako tena ?
Raha vao mifoha dia manolotra ny andro. Vavaka avy ao am-po, ataonao samirery, na arahinao ny fanolorana fanao isan’andro.amin’ny alalan’io vavaka io no anoloranao ny andro vaovao atambatrao amin’ny fanolorantenan’i Jesoa amin’ny Rainy, ao amin’ny Sorona Masina. Izany no anombohanao ny andro, ka ilazanao amin’ny Tompo hanao ny zavatra rehetra miaraka Aminy sy amin’ny alalany. Ny fanaovanao izany isan’andro dia andraisana ny fonao ao am-pon’i Jesoa, miaraka amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany manao izany fanolorana izany.
Ahoana no mampiova ny fiainako rahefa atolotra an’Andriamanitra ?
Ny fanolorana ny andro isan’andro dia milaza faniriana, fihetsika atao antsitrapo. Lazainao tsotra amin’ny Tompo, fa atolotrao ho Azy ny andro manontolo. Mangataka marina ny fahasoavana ho tantanan’ny Fanahy Masina ianao, fa tsy hirona amin’ny fitiavantenanao. Noho isika mpanota dia azontsika antoka ny vokany. Fa amin’ny alalan’io vavaka io dia irinao hakambana amin’ny an’i Jesoa ny fiainanao ary hataonao ao am-pony ny fonao. Asehonao ny fanirianao lalina hiaina mandritra ny andro amim-pahafoizantena sy fahamasinana, ka angatahanao toy ny fahasoavana izany.
Ahoana ny fandraisan’Andriamanitra ny fanolorako ?
Raisin’i Jesoa amim-pitiavana ny fanoloranao tsara ny andronao. Na dia eo aza ny fetra maha olona, ny fanoloranao ny fiainanao miaraka amin’i Kristy io dia mahatonga anao ho mpiara-miasa Aminy amin’ny famonjena ny havanao rehetra. Ataony mpanavotra miaraka Aminy ianao, noho ianao miray fo Aminy, sy miaradia Aminy hiasa ho an’izao tontolo izao.
Ahoana moa no ahafahantsika milaza fa io lalana io dia fomba fiainana ny Eokaristia ?
Satria mampiray antsika amin’ny fomba fiainan’i Jesoa izay fomba fiainana Eokaristiaka izay. Nanome ny fiainany ho an’ny hafa mandrakariva izy teo amin’ny fiainany. Tsy mba nisy fitiavantena tao Aminy. Tamin’ny faran’ny fiainany dia nanapakevitra Izy hanolotra ny fiainany manontolo, mandrapahafatiny, ho antsika sy ny Rainy. Izay no tandindon’ny fanasana farany amin’ny fihetsika sy ny Teniny hoe : « Raiso ary hano, fa ity no Vatako, atolotra ho anareo ». Fintinin’i Jesoa amin’izany izay niainany mandrakariva. Dia asainy isika hanao toy ny nataony : « Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy ! » Hanao inona ? Manome ny Aina ho an’ny hafa. Miova ho fomba fiainana ny Eokaristia amin’izany, fandaharam-potoana ho an’ny andro. Fihetsika angatahinao sy tianao hiainana isan’andro amin’ny fanolorana ataonao amin’ny Tompo.
Moa tsy sarotra loatra ve izany ho antsika ?
Tsy hoe sarotra fotsiny, fa tsy mety ho vita. Tsy mety ho vita toy ny fanovana ny Mofo sy ny Divay eo anatrehan’Andriamanitra velona ho antsika. Fanomezana ny fiainana ny Eokaristia, alohan’ny maha adidy azy. Fanomezan’ny Ray atolotry ny Zanany antsika. Fanomezan’Ilay Nitsangan-ko velona hamonjena antsika, hanalany alahelo antsika, hankaherezany antsika, hanazavany antsika. Fanomezan’ny Fanahy Masina italahoana eo ambonin’ny Mofo sy ny Divay, mba hanova azy ho Vatana sy Ràn’i Kristy, iantsoana azy ho eo amin’ny amin’ny ankohonana koa, mba hanova azy ho eo amin’izao tontolo izao. Toy izany àry ny vavaka atao isan’andro izay mangataka amim-panetrentena io fanomezana io. Raha manolotra ny fiainanao amin’i Kristy ianao ao amin’ny Eokaristia, dia mitalaho amin’ny Fanahy Masina hampiray ny fiainanao amin’ny Azy, ary Izy hanova anao ho Kristy ho an’ny hafa. Amin’izay ny andronao manontolo dia miha Eokaristia. Manomboka amin’ny fifohazana ny Fanolorana ny andro, ny Sorona Masina ny andronao, ary mamakivaky ny andro amin’ny fanambaranao izay rehetra ataonao miaraka amin’i Jesoa
Fomba ahoana no ampiraisan’ny Eokaristia ahy amin’ny Fon’i Jesoa ?
Ny fiainanao ny Eokaristia sy ny fanoloran-tenanao isan’andro dia mampiray anao amin’i Jesoa, fa fiainan’ny Fo Masin’i Jesoa isan’andro izany. Mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina ianao ao amiin’ny Eokaristia izay manova ny fonao hitovy amin’ny Fon’i Jesoa. Fa mihoatra noho izany, manome ny Ainy, ny Vatany, ny Ràny ho fitiavany antsika i Jesoa. Maty Izy mba hampiray ny fianakavian’Andriamanitra efa niely. Ao am-pony isika rehetra, samy manana toerana ao, tokony ho tamana ao. Amin’Izy manolotena amin’ny Ray, dia atolony miaraka amin’ny fiainany ny olombelona rehetra. Rehefa manolotra ny androntsika isan’andro isika, dia atolotrantsika eo anatrehan’ Andriamanitra koa ny fianakaviantsika, ny mpiara-belona amintsika, ny havantsika, ny asantsika, ny mahantra… Raha fintinina dia izao : atolotsika ao am-pon’i Jesoa ny olombelona rehetra. Mankalaza ny Eokaristia isika, mova tsy santatry ny fanasana any an-danitra hampihaonan’ny fitiavan’Andriamanitra ny firenena amam-poko rehetra. Eo i Jesoa manome ny ainy ho an’ny famonjena ny olona rehetra sy ho an’izao tontolo izao. Ny zavatra ilain’izao tontolo izao dia asehontsika mivaingana ao amin’ny fangatahana isam-bolana ampanaovin’ny Papa. Ao amin’ny Eokaristia no itondrantsika an’izao tontolo izao sy ny fahoriany ao am-pon’i Jesoa. Ary dia irahina isika ho eo amin’izao tontolo izao, miha Jesoa, hitondra ny Fony amin’izay mila azy.
Azontsika atao ve ny mamintina hoe fiainam-bavaka sy asam-pamonjena izany ?
Izany tokoa. Ny fiainana ao amin’ny Eokaristia iainana ny Fanolorana ny andro dia manomboka amin’ny fahatsapana fa tia anao Andriamanitra, fa tsy mijanona eo. Ny firaisanao amin’ny Fon’i Jesoa ao amin’ny Eokaristia dia mitondra anao hiaiky ny hafa toa Azy. Ny fiainanao ny Eokaristia amin’ny fanolorana ataonao isan’andro dia mitaona anao hivavaka ho an’ny hafa sy hiasa ho an’ireo mila anao. mitondra anao hanaraka an’i Jesoa nirahina hanatsara an’izao tontolo izao izany.