Ny Eokaristia : loharanon’ny fiainana sy ny asa fanirahana kristianina
Hatao any Budapest ny 05 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ny Kaongresy Eokaristika iraisampirenena faha -52. Hoezahantsika ny hanao fifampizaràna mitohy mikasika io hetsika lehibe eto anivon’ny Fiangonana io.
Notsoahina avy amin’ny tahirin-kevitra fanomanana ny lahatsoratra atolotra antsika.
Ny Kôngresy Eokaristika Iraisampirenena
Ny Kôngresy Eokaristika Iraisampirenena dia iray amin’ireo hetsika lehibe ampahibemaso ataon’ny Eglizy hampisongadinana sy hanomezana lanja ny anjara toeran’ny Eokaristia ao amin’ny fiainan’ny kristianina sy ao amin’ny asa ataon’ny Eglizy. Tamin’ny taona 1881 no nipoitra voalohany ny Kôngresy Eokaristika ary natao izy io mba hanomezam-boninahitra an’i Jesoa Kristy izay tena ao amin’ny Eokaristia marina sy hijoroana ho vavolombelon’ny fitiavany tsy misy fetra an’izao tontolo izao.
Ireo tanjon’ny Kôngresy
Vanimpotoana tsara, miavaka amin’ny mahazatra ho an’ny mpino katôlika sy ho an’ireo akaiky azy ireo ara-kolotsaina sy ara-pisakaizàna, ahafahana miseho eo anatrehan’ny fiarahamonina hijoroana ho vavolombelon’ny finoana no atolotry ny fiomanana amin’ny Kôngresy Eokaristika Iraisampirenena 2020 sy ny fankalazàna azy. Ny olona amin’izao vanin’andro izao mantsy, araka ny nolazain’i Md Paoly VI dia « mihaino an-tsitrapo an’ireo vavolombelona toy izay ireo mpampianatra, ary izy no hihaino ireo mpampianatra dia satria vavolombelona ireo »[1].
Araka izany dia zary hirika hanamafisan’ny katôlika ny finoany sy hizaràny fanantenàna, fiainana, hafaliana amin’ireo miray làlana aminy miainga avy ao amin’ny loharano eokaristikan’Ilay nitsangan-ko velona ny Kôngresy Eokaristika.
Rehefa mandray anjara amin’ny Eokaristia ny mpino dia mihamafy ny finoany, voaorina indray ny maha-kristianina azy, mihalalina ny fiombonany amin’i Kristy sy amin’ireo rahalahiny sy anabaviny na rahavaviny sy anadahiny. Dia toy izany no ahafahan’ireo kristianina mijoro ho vavolombelon’ny Fahamarinana eo anatrehan’izao tontolo izao amim-pitrakàna, am-pitoniana feno herimpo, am-pitiavana sy amin-kalemempanahy araka ny ohatra nasehon’i Kristy, eo anivon’ny fiarahamonina anjakan’ny jadon’ny relativisma.
Ankoatr’izay dia fotoana tsara hanamafisana orina ny fifanakalozankevitra eo amin’ny samy kristianina ny Kôngresy Eokaristika, amim-pahazoana antoka fa maro kokoa ny zavatra mampiombona noho izay mampisaraka. Tarihin’ny Fanahy Masina isika hihaino sy hahazo mba hamahàna ireo olana misokatra sy hitady ao anatin’ny fahamarinana ny lalan’ny hoavy. Ny fiarahan’ny kristianina mijoro ho vavolombelona ihany no ahafahana manolotra ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena amin’ny tsy mpino. Amin’ireo olona isan-tsokajiny samy manana ny fari-piainany izay mitady an’Andriamanitra no ampiantefan’ny Kôngresy ny kerigma, fanambaràna voalohany ny Evanjely : Andriamanitra loharanon’aina dia tia ny zavaboaariny rehetra tsy misy fepetra. Izany no nanirahany an’i Jesoa Zanany, tonga olombelona tao an-kibon’i Maria Virjiny. Tamin’ny teniny sy ny hafany, tamin’ny Paka nahafatesany sy nitsanganany ho velona no namafàny ny fahotantsika ary noho ny asan’ny Fanahy Masina dia velona mandrakariva ao amin’ny Egliziny Izy. Izay tapa-kevitra amin-kalalahana fa hanome lamosina ny ratsy ary handray an’i Kristy ho Mpamonjy, amin’ny alàlan’ny Batemy dia miditra ao amin’ny fianakaviamben’ny voavonjy ary manorina ilay ankohonampiainan-dehiben’ny zanak’Andriamanitra.
Ao amin’ny Kôngresy Eokaristika eo amin’ny sehatra manerantany, dia misaora an’i Kristy isika ary omeo voninahitra Izy, ilay tokana hany afaka manome ny fiainana. Mivavaha isika mba hanerana, tsy an’i Hôngria fotsiny, fa ny firenena ao amin’ny faritr’i Eorôpa afovoany, an’i Eorôpa manontolo ary an’izao tontolo izao mihitsy ny hafaliana miboiboika avy amin’ny loharano eokaristika. Dia toy izany no ahitàn’ny tsirairay fotoana ihavaozana am-panahy, lalan-kizorana araka ny evanjely, sombim-pinoana mandresy ny fisalasalàna, tsirim-pahazavàna handresena ny alahelo, fitiavana kely handresena ny fitokana-monina sy ny elanelana.
Indro ilay tahirin-kevitra fototra :
[1] Papa Paoly VI, Fanentanana apôstôlika Evangelii Nuntiandi (EN) (1975), 41.