Fivahiniana masina any Ambiatibe
Hankalaza ny faha-4 taona nanandratana ho olomasina sy faha 120 taona naha-maritiry an’i Md Jacques Berthieu isika ny Sabotsy 22 sy 23 Oktobra 2016 ho avy izao. Io hitantsika amin’ny sary io ny fandaharam-potoana, koa entanina isika AFAFI-FET manerana ny Nosy izay afaka mba ho tonga maro, ary ireo tsy afaka kosa mba hifampitondra am-bavaka.
Misy fandaminana ho antsika AFAFI-FET eto amin’ny Diosezin’Antananarivo ary manana fandraisana anjara manokana isika amin’io fotoana io. Koa entanina isika hanao ny Tshirt faha-100 taona ny Sabotsy ary ny alahady kosa manao Tenue. Aza hadinoina ny sainan’ny Fikambanana.