Andron’ny lahika 2016 : teny fanirahana
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fahasoavana amam-piadanana avy amin’Izy Tompo .
Mifarana ity ny Fankalazantsika ny Andron’ny Lahika teto Morondava . Isaorana sy ankasitrahana i Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA sy ny Diosezy Morondava manontolo nampiantrano antsika mianakavy Olon-dehibe , Tanora , Ankizy… Andriamanitra Trinite Masina anie hanonitra zato heny izay lanintsika rehetra , hanatontosana izao Fankalazana izao .
Nifarana ihany koa ny Fankalazantsika ny faha-45 taona nijoroan’ny CEPAL teto amin’ny Nosintsika . Ny Fankalazana no nifarana fa ny Firotsahana sy ny Fikatrohana ary ny Fampiharana kosa mbola hafana vay , eo anivon’ny Fikambanana tsirairay avy .
Nohalalinintsika teto ny « INDRAFON’ANDRIAMANITRA RAY sy ny tontolony » , Toetra sy Anaran’Andriamanitra Raintsika , nampiharin’i Jesoa Zokintsika tamin’ny fiainany manontolo . Dia resy lahatra isika mianakavy fa mba hoe « ho taha-dRay , taha-Joky » ?
Tsy mitsaha-manentana antsika amin’izany ny Eglizy .
Ny Papa François , ao amin’ny Taratasiny « Laudato Si » manao antso avo fa loza mitatao ary efa mihàtra amin’ny « Tranobe iombonana » ny tsy-firaharahàna , ny fanaovana am-pihimamba ny soa iombonana , ny fanjakazakana tsisy indra fo ny zava-boaary , ny fifanambakàn’ny samy olombelona … Ka mitalaho fiovam-piaina sy famindra amin’ny olon-drehetra ny Papa . « Araka izany , tena maika ny hiovan’ny olombelona fijery sy fiaina : miala amin’ny fahazarana manao be am-bosika ary miezaka hahaonon-tena ; miala amin’ny fitiavana hameno paosin’ny tena fa miezaka mahafoy hoan’ny hafa ; miala amin’ny tondraka anio mananjara ka hifidy ny fahafaha-mizara … Raha fintinina : miala tsikelikely amin’izay mahadiavolana ahy samirery mankamin’izay ilain’ny tontolon’Andriamanitra » .
Vao tsy ela ihany koa , ireo Evekan’i Madagasikara Ray aman-drenintsika , ao amin’ny Taratasiny « Onena Izy nahita ity vahoaka nafoy toy ny ondry tsisy mpiandry » (Lk 6,34) , no nanao antso avo amin’ny Malagasy tsy an-kanavaka , mba samy hanova fiaina manoloana ity fitiavan-tena mihoapampana mahakizo fara ny firenentsika ity . Maika dia maika ny fahavononana hiova sy hibebaka .
Ny CEPAL , feno 45 taona , Fiombonan’ireo hery velona kristianina Lahika , zaza mpandimby sy vato namelan-kafatra , no irahina ho Lohalarana entanin’ny finoany , hampijoro io tontolon’Andriamanitra Mpamindra fo io . ary tsy hitsanga-menatra amin’ny finoana maharesy lahatra azy fa hampihàtra izany amin’ny fiainany . Dia izao ny fanirahana : isaka ny Vovonana (Olon-dehibe , Tanora , Ankizy) dia samy hiara-mandalina ireo Hafatra ireo (1) . Hiara-mitady fomba fampiharana azo tanterahina . Amin’izay , tsy hjanona ho « Antsoantso an-tany efitra na ho jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana » ireo antson’ireo Ray aman-drenintsika ato amin’ny Eglizy katolika , fa mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana , mendrika sy mahasoa ny zanak’Andriamanitra . Finoana , Fiombonana , Firotsahana no tarigetran’ny CEPAL , ka roso ny diantsika mpino hanova ny tany ho lanitra vao . Izay no maha-fanasin’ny tany ama-monina antsika .
I Masina Maria , Vavimatoan’ny mpino sady Mpiaro voalohany an’i Madagasikara anie hitrotro antsika rehetra am-bavaka, hahatonga antsika ho « taha-Joky sy taha-dRay » : Mpamindra fo !
Mivavaka sy mitso-drano anareo amin’ny anaran’ny Eveka Katolikan’’i Madagasikara
Morondava , 25 Septembre 2016
+ Philippe RANAIVOMANANA s’i + Fulgence RAZAKARIVONY
Présidents CEPAL