Hifantoka amin’i Masina Maria ireo JMJ telo manaraka
Taorian’ny Hasambarana dia hifantoka bebe kokoa amin’ilay Renin’Andriamanitra ny hafatry ny Fiangonana ho an’ny tanora mandritra ny telo taona manaraka. Entanina ary ny tanora hahay handinika ny lasa, hiatrika ny ankehitriny ary hanantena ny ho avy. Aoka ho fototry ny fanomanana ny fihaonana any Panama ny Finoana, ny Fanantenana ary ny Fitiavana. Marihina fa hisy ny sinaodan’ny eveka amin’ny 2018. Hodinihina amin’izany ny lohahevitra hoe : « Ny tanora, ny finoana ary ny famantarana ny antson’Andriamanitra ».
Ireto ary ireo lohahevitry ny JMJ ho avy :
2017 : « Nanao zava-dehibe tamiko ilay mahefa » (Lk, 1 – 49)
2018 : « Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao » (Lk, 1 – 30)
2019 : « Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao » (Lk, 1 – 38)