Krizy ekôlôjika : mionbom-bavaka ireo Fiangonana kristianina maneran-tany
Miara-mankalaza ny andro maneran-tany ivavahana ho an’ny voaary ny Fiangonana kristianina rehetra. Manentana ireo mpino miisa 2 miliara mahery mba hivavaka sy hamaha ireo krizy ekôlôjika ny Fiangonana Katôlika, Protestanta, Anglikanina ary Ortôdoksa. Misy ny tranon-kala iraisam-pinoana, www.SeasonOfCreation.org, iatrehana io ady iombonana io.
Efa tamin’ny taona 1989 ny Patriarka ortôdoksa Dimitrios I no nanokana ny 1 septambra ho andro ivavahana ho an’ny voaary. Nosafidian’i Papa Fransoa ho Andro maneran-tany ivavahana ho fanajana ny voaary ihany koa io andro io tamin’ny 2015. Ho fanamafisana ny fanentanana dia nisy ny horonan-tsary notontosain’ny Tamban-jotram-pivavahan’ny Papa maneran-tany :
www.SeasonofCreation.org : vavaka arahin’asa
Aoka ary isika iombom-bavaka ny 1 septambra ka hatramin’ny 4 oktôbra 2016 ary hanentana ireo namantsika amin’ireo tambajotra sosialy isan-karazany. Azontsika atao ireo vavaka roa mamarana ny Ansiklika Laudato Si :
Amporisihina ihany koa isika hanolotra Sorona Masina eny anivon’ny paroasy misy antsika tsirairay avy ary hanao hetsika hiarovana ny voaary sy hamahana ny krizy ekôlôjika atrehin’ny firenentsika sy izao tontolo izao.