Nodimandry i Baba, Frera mpanabe tany amin’ny diosezin’Ambositra
Sitrak’Andriamanitra no niantsoana ny mpanompony Frère Joseph Denis RAZAFIMAMONJY sj fantatra amin’ny anarana hoe: Baba, androany alatsinainy 21 marsa tamin’ny 8 ora sy sasany maraina.
Ny razana dia andrasana anio alina ao amin’ny Maison St Joseph Analamahitsy, misy Sorona Masina ao amin’ny 8 ora alina.
Rahampitso talata 22 Marsa amin’ny 8 ora maraina dia mbola hisy ny Sorona Masina ao amin’ny Chapelle St Joseph Analamahitsy ihany, alohan’ny hiaingany mankany Ambositra.
Fr. Denis moa dia mpanabe sady Aomônien’ny FET Diôsezin’Ambositra teo aloha naharitra 40 taona mahery. Fantatra ihany koa ny asa nataony teo amin’ny fanentanana ny tanora amin’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy.
Io hitantsika eo ankavanan’ny Pretra io ny sariny.
Koa entanina isika AFAFI-FET izay eto Antananarivo mba ho tonga hamonjy ny Sorona Masina. Manaovà fanamiana.
Isika rehetra manerana an’i Madagasikara kosa entanina hitrotro am-bavaka azy.
Ny Foibe Nasiônaly