17% ny mponina eran-tany no manaraka ny finoana katôlika
Nivoaka tamin’ny 16 aprily 2015 ireo tarehimarika mikasika ny fiainan’ny Fiangonana tamin’ny taona 2013 :
– 1 miliara sy 253 tapitrisa ny kristianina katôlika : nahatratra 34% ny fitomboana taty Afrika, teo anelanelan’ny 2005 sy 2013 ;
– 139 tapitrisa ireo vita batemy nandritra ny 8 taona (2005 – 2013) ;
– 5173 ny isan’ny eveka maneran-tany ;
– 415 348 kosa no isan’ireo pretra.
Tsapa fa miroborobo tokoa ny Fiangonana katôlika aty Afrika. Mitombo ny isan’ireo nandray ny sakramentan’ny batemy ary mihabetsaka ihany koa ireo pretra sy relijiozy.
Tsidiho ny News.va raha te hahafantatra misimisy kokoa ianao.