CNECAUM : Vavaka hiomanana sy hiainana ny kongresy 2023
Ry Andriamanitra Ray ô. Fitiavana ianao ary entanin’ny fitiavana anao
izahay amin’izao kongresy izao ka tafaombona indray ao aminao. Ampio izahay
mba tsy hivaona amin’ny maha-fiombonana Eokaristika anay. Fa ny fiombonana
no manampy anay hatrany ho Ekipa kristianina MIARA-DIA ary ho Endrik’i
Kristy hita maso eny anivon’ny fiarahamonina misy anay. Ampio izahay mba hiasa
ho anao ka tsy hangataka andro na hitavandra olona amin’ny fanatanterahana izay
sitrakao. Hahafoy tena tahaka an’i Maria izay “niainga” ka “nandeha haingana”
(Lioka1, 39). I Maria no ohatra voalohany ho anay ny amin’ny fanekena anao
amim-panetretena hitondra ny FAMONJENA ho an’ny hafa. Izany no
angatahanay aminao mba tena ho Eny ao aminao tokoa izahay ka hazoto amin’ny
fanompoana anao.
Amin’ny alalan’i Kristy Zoky sy Mpamonjy anay, omban’ny vavak’i
Masina Maria Reny, no angatahanay izany. Amen.