Iza moa i Mère Teresa ?
Loharano : LaCroix, 3 septambra 2016
Nasandratry ny Fiangonana ho olomasina i Mère Teresa ny 4 septambra lasa teo. Indreto misy daty vitsivitsy hahafantarantsika bebe kokoa io mpiahy manokana ny mahantra io. Ekena fa maro ny zavatra tokony holazaina fa taridalana ihany aloha ity atolotra ity.
26 aogositra 1910
Teraka tao Skopje, renivohitr’i Macédoine Anjezë Gonxha Bojaxhiu. Telo mianadahy izy ireo ary izy no faravavy. Mpandraharaha ny rainy izay nindaosin’ny fahafatesana ny taona 1919.
26 septambra 1928
Nirotsaka ho relijiozy tao amin’ny sœurs de Notre-Dame-de-Lorette tao Rathfarnham, tanàna akaikin’i Dublin, renivohitr’Irlande izy. Marihina fa 60 taona taty aoriana izy vao tafaverina indray tany an-tanindrazany.
1 desambra 1928
Niainga ho any Inde Teresa. Nosafidiany manokana io anarana io ho fanehoany ny fitiavany an’i Mb Terezin’i Jesoa zazakely. Nampianatra jeografia tao amin’ny sekoly natokana ho an’ireo olona ambony izy nandritra ny 20 taona. Avo ny tamboho ka tsy hitany ny fahantrana nanodidina azy.
10 septambra 1946
Henony ny antso miangavy azy mba hanampy ireo mahantra raha teny ambony lamasinina ho any Darjeeling. Nangataka alalana tamin’ny evekan’i Calcutta izy mba ho afaka hiala amin’ny fikambanany.
8 aogositra 1948
Neken’i Rôma ny fangatahany ka afaka nandeha izy. Roupies 5 monja no tany am-paosiny tamin’io fotoana io. Taorian’ny fianarany ho mpitsabo mpanampy dia nanangana sekoly iray ho an’ireo ankizy tsy misy mpiahy izy.
7 oktobra 1950
Najorony ny fikambanana « Missionnaires de la charité ». Nampiany iray ireo voady telo maharelijiozy. « Hanokana ny fiainana manontolo ho an’ny mahantra ary tsy handray valin-kasasarana materialy ».
1960
Natsangana ny « Coopérateurs des missionnaires de la charité » hamondronana ireo lahika maniry hanampy ny fikambanana.
17 oktobra 1979
Nahazo ny loka Nobel ho an’ny fandriampahalemana izy
5 septambra 1997
Nodimandry tao amin’ny hopitaly iray tao Calcutta Mère Teresa.
2002
Neken’i Rôma fa fahasitranana mahagaga ny an’ilay vehivavy indianina 30 taona izay narary vavony (tumeur de l’estomac). Nahafahana nanandratra azy ho olontsambatra io tranga io ka notanterahina ny 19 oktobra 2002 izany.