Tambajotram-pivavahan’ny Papa Maneran-tany : fangatahana ho an’ny volana jolay
« Mba hankaherezin’ny fitiavan’Izy Tompo sy ireo rahalahiny ny Pretra trotraky ny asa sy manirery any amin’ny asa pastôraly ».
Ny Pretra dia olona voantson’i Kristy manokana teo anivon’izao tontolo izao ho amin’ny fandraharahana masina eo anivon’ny Fiangonana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fizaràna ny sakramenta amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Amin’ny maha olom-boahosotra azy ao amin’ny Fandraharahana masina dia andraikitra ambony sady masina loatra no iantsorohan’ny Pretra amin’ny fanasoavana sy fanamasinana ny vahoakan’Andriamanitra. Sady mpiara-miasa no mpanohy ny asan’i Kristy ny Pretra amin’ny andraikitra sy ny iraka iantsorohany, araka ny hafatra navelan’i Kristy hoe : « mandehana ianareo, mitoria ny Evanjely amin’ny voary rehetra » (Mk 16, 15).
Mba hanatanterahan’ny Pretra izany raharaha masina izany dia ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany no hanentana sy hankahery azy. Fantatr’i Jesoa fa tsy maintsy hisedra zava-tsarotra isankarazany ireo mpianany ireo sy ny dimbiny amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia nankahereziny sy nohafatrafarany fatratra. « Rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.. » (Joany 16, 13) ; « Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko… hatrany amin’ny fara vazan-tany ».
Fa ilaina ihany koa, ary amporisihan’ny Konsily rahateo, « ny fifampitondrana toy ny mpiray tampo sy ny fiaraha-miasa amin’ny samy Pretra. Fiainan’ny mpirahalahy ary fiaraha-miasa tsy misy olakolaka, izany no antonona ny Pretra miaraka amin’ny Pretra namany » (Kônsily Vatikana II, RFP, Toko II, 8). Koa izy rehetra, na Pretran’ny Diosezy na Relijiozy dia tsy maintsy mifanampy sy miara-miasa hatrany hatrany noho ny fifankatiavan’Apostoly iainany sy ny raharaha masina iombonany.
Toy ny mpiray tampo ny Pretra, ka tokony ho tsara fandray ; vonon-kifanasoa hatrany izy sy hifampizara bebe kokoa ny manta sy ny masaka, ka tokony hikarakara manokana izay Pretra marary, ny kivy, ny tototry ny asa, ny manirery, ny voasesin-tany, ny enjehina. Tokony ho tiany koa ny mihaona samy miala voly, mahatsiaro ny niantsoan’ny Tompo ny Apostoly sasa-dahasa, nataony hoe : « Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely » (Mk 6, 31). Fa ilain’ny Pretra ihany koa ny mifanampy handrosoana amin’ny fiainana ara-panahy sy ara-saina, ny mandavorary ny fifanampiana eo amin’ny raharaha masina, ny misoroka ny loza mety hanjo an’izay mitokantokana tafasaraka amin’ny hafa.
Izany firaisam-po amin’ny samy Pretra izany dia tokony hahatsiarovan’izy ireo fa tompon’andraikitra manokana izy raha misy namany sahirana noho ny fahavizanana sy ny maha irery noho ny asa pastoraly. Izay tojo zava-manahirana dia hampisehoany fitiavana toy ny iray tampo aminy sy hahafoizany tena : ka hivavahany sy hitalahoany amin’Andriamanitra ary hijoroany ho tena rahalahy sy tena sakaiza.