Vavaka hasiviam-bolana : Fiomanam-panahy mandritra ny volana Aogositra 2020
- Hira fanombohana : raha misy fivoriana
- Vavaka Fanolorana ny andro : « Mba ho an’ireo rehetra miasa sy mivelona amin’ny ranomasina, anisan’izany ny tantsambo, ny mpanjono sy ny fianakaviany ».
- Vavaka torapo, araka izay anentanan’ny Fanahy
- Famakiana sy fandinihana ny Lohahevitry ny volana diavina (Aogositra)
- Vavaky ny Taon-jobily + Rainay, Arahaba ry Maria, Voninahitra, fiantsoana an’ireo Olomasina Mpiaro sy ny Fo Masin’i Jesoa. (Izay tsy manana ny vavaky ny Taon-jobily dia hanao Toko Sapile).
>>>>> Ndao hiaraka-hivavaka
Lohahevitra volana Aogositra (Dingana faha sivy amin’ny Lalan’ny Fo) :
Tambajòtram-pivavahana maneran-tany sy tambajotram-panompoana mitsinjo ny filàn’ny taranak’olombelona
Ny Aina ny Fivavahana dia Tambajotram-pivavahana maneran-tany andraisana an-tànana ireo fanamby atrehin’ny taranak’olombelona sy ny asa anirahana ny Eglizy. Hitantsika ao amin’ireo fangatahana isam-bolana ampanaovin’ny Papa ireo fanamby ireo, fangatahana maneho ny fiahiany an’izao tontolo izao sy ny Eglizy ankehitriny, ka tokony hitari-dàlana ny fivavahantsika sy ny asa ataontsika mandritra ilay volana voatondro.
Ity Tambajotra ity dia ikambanan’ireo izay vonona hiara-miasa amin’ny fanatontosana ny asa nanirahana an’i Kristy Nitsangan-ko velona, eo anivon’ny toe-javatra iainany sy ny seha-piainany avy. Ny antso ho amin’ny fanatontosana ny Iraka, no afo mahatonga antsika ho Apôstôly, nirahina avy ao am-pon’ny Ray mba ho tonga ao amin’ny fon’izao tontolo izao. «Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany» (Lk 10,1). Ny fandraisantsika anjara amin’io Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany io no mahatonga antsika ho Iraka sy Vavolombelona ary Endrik’i Kristy eo amin’ny fiainantsika manontolo mihitsy. Iraka hitondra ny Teniny eo amin’izao tontolo izao. « Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa». (Jo 20,21)
Asaina ho ao amin’io Tambajotra io, voalohany indrindra, ny katôlika rehetra avy amin’ny firenena sy kolontsaina samihafa, avy amina fianakaviana sy fikambanana masina samihafa. Miasa ho fitandroana ny firaisan’ny Eglizy ao amin’ny hareny sy ny mampiavaka azy ny Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany. « Ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly ara-panahy, ho mpisorona masina ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy». (1Pi 2,5)
Asaina handray anjara ao amin’io Tambajotra io ihany koa, araka ny fombany manokana, ny hafa : ireo fanamby voatanisa ao amin’ny Fangatahana ampanaovin’ny Papa dia mitarika antsika hiara-miasa amin’ireo kristianina hafa sy amin’ireo olona fatra-pikatsaka fiadanana sy firahalahiana eo anivon’izao tontolo izao.
>>>>> Ndao hiaraka-hivavaka