Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA : nahazo eveka vaovao ny diosezin’i Tsiroanomandidy
Nahazo mpiandry ondry ny diosezin’i Tsiroanomandidy. Notendren’i Papa Fransoa hitarika io diosezy io Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA. Maro ireo andraikitra niantsorohany mialoha izao fanendrena izao.
Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA : 24 taona naha-pretra
Teraka ny 26 Febroary 1969 tao Tanambe Mgr Gabriel. Namaly ny antson’i Jesoa izy ka niroso. Nanomboka ny fiofanana ho pretra teo anivon’ny seminera zandriny Ambatondrazaka izy tamin’ny 1989. Isan’ny toeram-piofanana nanefy azy ihany koa ny Seminera filôzofika Md Paoly Apôstôly Antsirabe sy ny seminera zokiny Md Piera, Antananarivo.
Nohamasinina ho pretran’ny diosezin’Ambatondrazaka izy ny 31 mey 1997. Sivy taona taty aoriana, nijoro ny diosezin’i Moramanga. Nisafidy ny hiasa ho an’ity diosezy ity mompera Gabriel.
Fivondronamben’ny Eveka : sekretera mpandrindra
Nanohy fianarana tao amin’ny Université Catholique de Madagascar sy ny Université pontificale urbanienne de Rome mompera Gabriel. Mahafehy ny teny frantsay, italianina ary anglisy izy.
Sehatra maro no nanirahan’ny Fiangonana azy : fitantanana distrika (Anosibe An’ala), fampiroboroboana ny antson’Andriamanitra (diosezy Moramanga), fiandraiketana ny seminera Md Jean-Marie Vianney Moramanga.
Dimy taona nisahanana ny andraikitry ny sekretera mpandrindran’ny Fivondranamben’ny Eveka Mgr Gabriel izao voatendry izao.
Mivavaka ho azy sy ny diosezin’i Tsiroanomandidy isika.