Vavaka noho ny taon-jobily faha 100 taona niorenan’ny fet teto madagasikara
Ry Andriamanitra Rainay ô, mitsaoka Anao sy misaotra anao izahay noho i Jesoa Kristy Zanakao, fanomezan’ny Fitiavanao ho fiainan’izao tontolo izao.
Mba topazo maso izahay zanakao mankalaza ao anatin’ny hafaliana sy fanantenana ary fitiavana, ny faha-100 taona niorenan’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora teto amin’ny Nosinay. Fahasoavana maro sesehena tokoa no narotsakao ho an’ny Eglizinao eto Madagasikara tamin’ny fiorenana sy fijoroan’ny FET nandritra izay taona maro izay : Eveka, Pretra sy Relijiozy maro ary Lahika tsy tambo isaina ankehitriny no mandray andraikitra sy tsara sitra-po, nantsoinao sy nofidinao ho mpiara-miasa ao amin’ny Tanim-boalobokao. Nentinao nampandroso ny Firenena sy ny Eglizy tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izy ireny noho ny Fanoloran-tenany iainany isan’andro.
Ankehitriny, havaozy ao am-ponay ny finoana sy fitiavana ny Eokaristia Masina, fahatsiarovanay ny nahafatesan’ny Zanakao sy ny nitsanganany ho Velona, ho entinay mirotsaka hatrany ombam-pahafoizan-tena tanteraka amin’ny fanitarana ny Fanjakanao eto amin’ity Nosy maminay ity.
Ny Fanahinao Masina anie hanome anay ny fahazavana sy ny hery mba ho Vavolombelona mahatokin’ny Evanjely izahay : hiray Aina bebe kokoa amin’i Kristy, ka ho tonga Iraka hitondra ny Teniny sy hijoro ho tena Vavolombelon’ny Eokaristia marina tokoa.Velomy amin’ny Teninao sy ny Mofon’ny fiainana atolotrao izahay mba hiombona amin’i Masina Maria, Renin’ny Zanakao Andriamanitra sady Renin’ny Eglizy, hahafahanay mitondra vokatra be ho famonjena izao tontolo izao.
Miaraka amin’i Md François Xavier sy Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, Olomasina mpiaro anay izahay no mangataka izany aminao, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Amen.