Papa Fransoa : ireo aretina 15 mikiky ny Fiangonana
Afafi !
Hizara fahasoavana sy fiadanana anie isika mandritra ity 2015 ity !
Ny 22 desambra lasa teo ny Papa Fransoa no namahavaha ireo aretina 15 tsapany fa mikiky ny Fiangonana.
Nohamafisiny fa ny Fanahy Masina irery ihany no manasitrana ny aretina rehetra.
Manampy be dia be kosa anefa ny fiaikena fa marary, ny fandraisana fanapahan-kevitra hentitra sy matotra mba “hitsabo tena” am-pitiavana sy am-paharetana.
Raha te handalina ny antsipiriany ianao dia tsidiho ny la-croix.com (@ fiteny frantsay).